Ahoana ny fahatakaranao ny fifampiankinan ‘ny fifidianan’Andriamanitra sy fitiavany?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Jolay 2023

Hagay 2. 20-23

Hagay 2. 20-23
20 Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe: 21 Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany 22 dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 23 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Hafatry ny Mofonaina: Andriamanitra ...

Talata, 11 Jolay 2023

Deoteronomia 7. 6-8 Avy amin’ny mofonaina anio dia aoka hahatsiaro isika fa: 1- Manan-Tompo (and…

Hatraiza ny fiainantsika ny maha- ol...

Alatsinainy, 10 Jolay 2023

1- Hiteny amim-pahasahiana (and 2) «Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako» hoy ny…

Manao ahoana ny fahitanao ny Fiangon...

Alahady, 9 Jolay 2023

Asan ‘ny Apostoly 6.1-7 Azontsika tsoahina avy amin’ny mofonaina anio ny toetoetry ny olona ilaina…