Ahoana no hanazavanao ny tsy tokony hampitoviana ny lentan’ny Soratra Masina sy ny tarazo?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Jolay 2021

2 Tesaloniana 2. 13 - 17

2 Tesaloniana 2. 13 - 17
13 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina, 14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay. 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, 17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.

Ahoana no hanazavanao ny tsy tokony hampitoviana ny lentan’ny Soratra Masina sy ny tarazo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE -FJKM


Mofon'aina teo aloha

Miantso anao hanatona Azy i Jesoa

Asabotsy, 3 Jolay 2021

Miantso anao hanatona Azy i Jesoa 1- Mandrenesa Voalaza eto fa tsy mba bitsibitsika akory…

Paoly : Zanak’Andriamanitra mpampiha...

Talata, 8 Jona 2021

Paoly : Zanak’Andriamanitra mpampihavana Fampihavanana an’i Filemona sy Onesimosy no votoatin’ny hafatra ao amin’ny Epistily…

Rehefa ny Fanahin’i Jehovah no mitoe...

Asabotsy, 8 Mey 2021

Rehefa ny Fanahin’i Jehovah no mitoetra amin’ny olona … Ity faminaniana ity dia milaza ny…