Mitsinjo izay matahotra Azy ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Desambra 2025
Sal 145.1-4 / Hira 539 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 545.1,3
Salamo 33,18 - 22
18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.Mitsinjo izay matahotra Azy ny Tompo.
1- Fiarovana ho antsika Izy’ (and.19, 20)
Ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio fa Andriamanitra no mitantana izao rehetra izao sy ny firenena rehetra. Taomina noho izany ny olona rehetra mba hidera Azy. Eto dia mitodika manokana amin’ireo izay mihorohoro noho ny tahotra ny fahavalo sy ny fahafatesana ny mpanao Salamo, ka manambara mazava fa ny olona feno fanajana an’Andriamanitra sy miantehitra amin’ny fitiavany dia tsinjoviny manokana: « Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary….(and. 18,19). Tsy mahavonjy ny olombelona ny herin’ny tenany manokana; Andriamanitra no famonjena sy fiarovana mafy ho antsika. « Famonjena antsika sy ampingantsika Izy (and.20). Ny faneken’i Jesoa Kristy ho faty teo amin’ny hazofijaliana no nanafaka antsika tamin’ny herin’ny fahafatesana sady hananana fahavelomana mandrakizay.
2- Fifalian’ny fontsika Izy (and.21)
« Fa Izy no ifalian’ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika ». Eto dia sady midera an’Andriamanitra ny mpanao Salamo no mitaona ny olona rehetra mba hanana fahatokiana tanteraka an’Andriamanitra, indrindra fa rehefa miatrika zava-mahatahotra sy mampanahy. Fa izay rehetra matoky Azy, ka mandeha araka ny fahamasinany dia hiaina am-pilaminana sy hahita fifaliana sy fiadanam-po. Noho izany, aoka hanaja sy hanome voninahitra ny anarany masina isika, ary koa hanantena Azy, ka hihira amin-kafaliana hoe: « Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao »
Fanontaniana:
Afaka mifaly anaty fahoriana ve ny Kristiana? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe