Ny fanompoana tsy marina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Oktobra 2025

Salamo 34.1-3 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavalka / Hira 3

Asan'ny Apostoly 5,1 - 11
1 [Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. 7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.

Lohahevitra OKTOBRA: MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO

Asan’ny Apostoly 5. 1-11

Ny fanompoana tsy marina dia:

1. Mandainga amin’Andriamanitra (and 3-4; and 8-9)

Nivarotra ny taniny i Ananiasy sy Safira, ary ny vola izay azony tamin’izany dia nolazain’izy ireo ho natolony manontolo ireo Apostoly. Tsy izany anefa ny zavatra nitranga, fa efa niray tetika izy mivady, ka tsy ny vola rehetra no nomeny fa ny ampahany ihany. Ny filana sitraka teo imason’ny olona no antony nisehoan’ireo ho mpanompon’Andriamanitra, fa tsy fahafoizana marina. Nolazain’i Petera fa nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy irco, sady naka fanahy an’Andriamanitra. Ny tsy fahamarinana dia fahotana. Na inona na inona fanompoanao an’Andriamanitra, ka tsy tanterahinao amin’ny fahamarinana, dia midika izany fa mandainga amin’Andriamanitra ianao. Fahotana izany!

2. Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra (and 5; 10)

Ny fanompoana tsy amin’ny fahamarinana, dia mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra. Miseho amin’ny endrika fahafatesana izany eto amin’ity tantara ity. Rehefa nolazain’i Petera fa nandainga tamin’Andriamanitra i Ananiasy dia nikarapoka ka afaka ny ainy, ka nentin’ireo zatovo nivoaka ny fatiny mba halevina. Afaka ora telo taorian’izany, rehefa tonga koa i Safira vadiny, dia nandainga ka nikarapoka teo anoloan’ny tongotr’i Petera, afaka ny ainy, ary dia nalevina koa izy. Ny fahafatesana eto dia midika ho fandringanan’Andriamanitra, satria Izy dia mankahala ota. Tanteraho amin’ny fahamarinana ny fanompoanao, mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fanompoanao ny Tompo ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe