Fifidianana samihafa

Fiatrehan’ny Fiangonana ny raharaham-pifidianana

Tsy ho ela intsony dia ho tafiditra tanteraka ao anaty fampielezan-kevitra isika. Ireo tomponandraikitry ny kandida dia mitady toerana sy fotoana hahazoana manao fandresen-dahatra ny mpifidy ka na ny fiangonana aza raha azon’izy ireo anatanterahana izany dia nataony.

Koa mba hiarovana sy ho fitandroana ny fahamarinan-toeran’ny Fiangonana, ny Mpiandraikitra Foibe dia nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fiatrehan’ny Fiangonana ny raharaha politika. Adidy amana andraikitry ny Fiangonana tsirairay ny mankato sy miaina izany, tsy misy ady hevitra. Tsy ny manontolon’io fanapahan-kevitra io no atolotra etoana fa izay notsongaina. Atao sora-mandry ny fanehoana io fanapahan-kevitra io.

  • Ny Fiangonana miombona fiaraha-mivavaka amin’ny manam-pahefana:

“Mitovy amin’ny fanompoam-pivavahana rehetra ny fanompoam-pivavahana hanasàna manam-pahefana ao am-piangonana”.

Nanterin’ity fanapahan-kevitra ity ny fepetra momba ny saina isay voalazan’ny fotodalàna hoe: “Tsy azo ampidirina ao am-piangonana ny zavatra fanao ivelan’ny Fiangonana, toy ny sainam-pirenena, afa-tsy, raha misalotra amin’ny tena na vatana, ny kabary, ny hiram-pirenena ny fanomezana mari-boninahitra sy ny toy ireny.” (FDF and7. Tak38)

Ho amin’ny fandraisam-pitenenana dia hoy ny fanapahan-kevitra: “ny Manam-pahefana nasain’ny Fiangonana hiatrika ny fanompoam-pivavahana dia azo omena anjara fitenenana. Ka aorian’ny fanompoam-pivavahana vao mandray anjara fitenenana izy ary ny Fiangonana hatrany no mandray anjara fitenenana farany.”

  • Ny Fiangonana miatrika fampielezan-kevitra

Amin’ny ankapobeny, ny fiangonana dia tsy manao fampielezan-kevitra no tsy manome ny fitaovany ho enti-manana izany araka ny fanapahan-kevitra hoe: “Mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra, dia tsy mahazo mandray anjara fitenenana momba fifidianana ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM ny «  candidats » na ny mpanohana azy.

-Ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana izany hoe : mialohany sy ao anatin’ny fampielezan-kevitra ;  dia tsy ekena ny fangatahan’ny antoko politika hanao fanompoam-pivavahana ao am-piangonana sy eo amin’ny fivoriam-piangonana na eo amin’ny Sekoly FJKM.Ny Fiangonana kosa dia vonona ny hitondra am-bavaka ireo zanany mirotsaka an-tsehatra amin’ny politika.

-Ny trano sy ny fanaky ny Fiangonana sy ny Sekoly FJKM dia tsy azo ampiasaina na am-pindramina na ampanofana ho amin’ny raharaha politika.

Ao am-piangonana sy amin’ny fivoriam-piangonana ary amin’ny Sekoly FJKM dia tsy azon’ny kristiana sy ny mpianatry ny Sekoly FJKM atao ny manao kabary politika. Izany hoe , tsy mahazo mampirisika hifidy na tsy hifidy olona izy.”

Ampahany ihany no natolotra fa anjarantsika tsirairay ny manao izay hahazoana izany.

Samia ho vita soa ny fifidianana e!

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV