Tantaram-piangonana/ Tsaramanga Vaovao SP 11


FJKM TSARAMANGA VAOVAO

 

FJKM Tsaramanga dia Fiangonana iray eny Ambatofotsy, manamorona ny lalampirenena faha-7. Tao anatin’ny Synodamparintany Atsimon’Iarivo miray izy teo aloha ary ny taona 2000 no nafindra ho ato amin’ny SP Antananarivo Atsimo 11 araka ny fandaminana.

Ny taona 2010 teo no efa nankalaza ny faha-140 taonany ny FJKM Tsaramanga raha toaka ny taona 1870 no taona niorenany. Toy ireo fiangonana sasany tety amin’ny manodidina dia ilay misionera Rev. Toy no nanorina azy. Trano vonjimaika no niorina voalohany izay teny amin’ny toerana nanamorona ny lalamby – tamin’ny fotoana izay mbola niasan’ny lamasininy mandeha amin’ny kitay ka nanahirana satria feno lavenina hatrany ny akanjo fotsy fitondran’ny mpino. Taorian’izay dia nisy ny fanapahan-kevitra hanorina fiangonana vaovao, lehibe ary amin’ny toerana hafa. Tamin’izany no nanoloran’ny fianakaviana RAINIBEFANILO ny tany misy ny fiangonana ankehitriny.

Ny tena anaran-tànana misy ny Fiangonana dia Ankorondrano ary ny hoe Tsaramanga kosa dia anaran’ny Fiangonana izay nomen’ny misionera azy. Voalaza mantsy fa tena tsara feo ary tena manga feo ireo mpino voalohany tao raha nanao ny hira zafindraony fampiasany. Mpitandrina maro no nifandimby ary samy nitondra ezaka nanitarana ny fiangonana izy ireo toy ny fanorenana sy fanitarana polipitra, fanorenana tilikambo, fanitarana ny trano fiangonana ary izao farany izao dia ny fananganana rihana. Midika izany fa mitombo ny mpianakavin’ny finoana. Ankoatra ireo sampana velona dia misy koa ireo antoko mpihira SEDERA ZOKINY sy ZANDRINY izay maha TSARAMANGA an’i TSARAMANGA.

Manana sekoly ihany koa ny fiangonana izay manabe ny zanaky ny fiangonana sy ny manodidina.Tsy ny asa anatiny ihany no nilofosana satria dia nikolokolo ireo mpino tafasitaka tao amin’ny Fiangonana Moratsiazo izy ary niafara tamin’ny fitsanganan’ny FJKM Ambatolokanga izay isan’ny teraka faraparany amin’ireo FJKM eto amin’ny SPAA 11. Mankalaza ny faha-25 taona naha-mpitandrina azy ny mpitandrina ankehitriny.

TSARA HO FANTATRA

Niorenany : 1870.

1900-1924 : Mpit. RAMANAMITRAHO mivady mpitandrina teto (nanorina ny trano, ny sekoly, ny polipitra), nitarika ny fifohazana.

1924-1944 : RAINIMIZA mivady (evanjelistra, pasteur consacré teto) nanohy ny fifohazana, nanaja ny finoany sy ny fiantsoana azy (fanitarana ny trano, ny tilikambo, ny gorodona).

Ranaivoson Jean Pierre Mpitandrina nanitatra ny alitara sy ny manodidina, polipitra, trano fisainana ary nankalaza ny Jobily faha-120 taona.

Mpitandrina amin’izao fotoana izao taona 2018 : Ramarotoby Robinson Andriamahefasoa – Mankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-25 taona maha-mpitandrina. (nanitatra ny fiangonana) ary manao ezaka fananganana ny rihana koa ankehitriny.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV