SP 11 / Famoahana Mpianatra SEFALA 2016
FANASANA
« Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra … »
Ny Sekoly Fanomanana Laika ( SEFALA ) eto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo dia hamoaka ireo Mpianatra nahavita ny fianarana ho :
MPITORITENY SY KATEKISTA
SABOTSY 29 Oktobra 2016 , 9 ora 30
ao amin’ny FJKM SOANIERANA .
Koa manasa antsika mpianakavin’ny finoana hanome Voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanompoampivavahana sy hitondra amam-bavaka mba hahavitan’izy ireo ny anjara fanompoana niantsoan’ny Tompo, ho mpanompo tsy mahazo henatra , hizara tsara ny teny fahasoavana .
Tongava maro , ento am-bavaka ny fotoana .