SEFALA/ 10Taona maha-Tale Nasionaly
FANASANAÂ
Ho fankalazana an’ Andriamanitra noho faha- 10 taona naha-Talen’ny SEFALA Nasionaly ny
Mpitandrina RAKOTONIAINA mivady
(2008-2018)

dia fifaliana ho an’ny FOIBE SEFALA ny manasa  ny Katekista sy ny Mpitoriteny , ny Mpiandry ary ny mpianakavin’ny finoana rehetra ho tonga amin’ny Fanompoam-pivavahana , izay hotanterahina ny Alahady 27 Mey 2018 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely .
Hery lehibe ho azy mianakavy ny fanotronanao izany fotoana lehibe izany .Ento amin’io fotoana io ny valopy efa nozaraina ho fanohanantsika azy ireo .
“Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” Hebreo 13.5b