FFPM / Famindrana andraikitra 2018 .
FIOMBONAN’NY FIANGONANA PROTESTANTA ETO MADAGASIKARA
Nanatanteraka fifamindrana andraikitra
Manao antso avo mamporisika ny amin’ny fandriampahalemana sy amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara na ny FFPM. Anisan’ny hafatra nataon’ny Pastora Dr. RAKOTONIRINA David, filohan’ny FLM no sady Filohan’ny FFPM amin’ity taona 2018 ity io. Ny Alatsinainy 22 Janoary 2018 lasa teo no notanterahana teny Vohipiraisana ny fiaraha-mivavaka sy fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 ho an’ny fianakaviamben’ny FFPM.
Notanterahana tamin’io andro io koa ny famindrana andraikitra, izay nifanaovan’ny filohan’ny FFPM ny taona 2017, Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM, sy ny filoha ankehitriny avy amin’ny FLM.
Marihina, fa indray mandeha isam-bolana, isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana, no manao fotoam-bavaka eny Vohipiraisana ny fianakaviamben’ny FFPM.
Teny faneva noraisin’ny FFPM, dia ny hoe « Ary nihanahery finoana ny Fiangonana sady nihamaro isanandro » (Asa 16 :5).
( Gazety Marturia vavolombelona lah875 )