Ny fitiavana ny fahavalo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Oktobra 2026

Sal.54. 4-7/Hira 531/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 16

Matio 5,43 - 48
43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. 44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? 48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

Ny fitiavana ny fahavalo

1- Maneho ny maha zanak’Andriamanitra

« …Mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo… » (and. 45).

Ny Jiosy dia nanana lalana hoe: « Tiava ny namanao » fa ny Raby (mpampianatra) no nanampy hoe « mankahalà ny fahavalonao ». Ny fahavalo tiana lazaina dia ny Romana, ny Samaritana, ny mpamory hetra, ary ny miaramila. Eto anefa i Jesoa dia milaza fa « Tiava ny fahavalonareo », satria izany no toetran’ny zanak’Andriamanitra. Araka izany, tsarovy fa efa zanak’Andriamanitra isika, miaina sy manahaka ny toetran’ny Ray izay tia ny olona rehetra. Tia ny olona rehetra Andriamanitra. Satria zanak’Andriamanitra isika dia tia izay tian’Andrimanitra; tia ny olona rehetra.

2- Maneho ny fahatanterahana

« Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra. » (and. 48)

Ny teny hoe « tanteraka » eto dia tsy midika ho tonga lafatra na tsy manam-pahadisoana akory; fa mahatratra ny tanjona. Ny tanjona dia ny fanahafana an’Andriamanitra amin’ny fitiavana tsy misy fepetra. Ny olona mahay mitia tsy misy fepetra no olona tanteraka. Fitiavana tsy mitady tombony ho an’ny tenany fa mihevitra izay hahasoa ilay olona tiana. Ny olona tahaka izany no olona matotra, feno, tsy misy banga. Isaky ny mamela ny heloky ny hafa, indrindra ny fahavalonao, dia mihamanahaka an’i Jesoa Kristy. Mizotra amin’ny fahatanterahana. Aoka ho tanteraka isika.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hahatonga anao ho olona tanteraka?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny olona manompo an’Andriamanitra

Alarobia, 28 Oktobra 2026

Ny olona manompo an’Andriamanitra 1- Mahazaka ny olana misy « Iza no ahy any an-danitra? Ary…

Ny fivavak’i Jesoa

Talata, 27 Oktobra 2026

Ny fivavak’i Jesoa 1- Fototry ny fiainana « Ary nivoaka Jesoa, araka ny fanaony dia nankao…

Ny vavaka

Alatsinainy, 26 Oktobra 2026

Ny vavaka 1- Mitondra fanasitranana « Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa…