Meteza hiasa amin’ny finoana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Septambra 2026

Sal103.1-6/Hira636.1,2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 808.1,2

Filemona 1,1 - 7
1 [Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako, 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao] 6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.

Meteza hiasa amin’ny finoana

1- Ny olona miasa amin’ny finoana dia tsy misy mahasakana.

Ity epistily ity dia nosoratan’i Paoly ho an’i Filemona sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ny asa fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy nahasakana azy ny fanagadrana azy noho ny amin’i Jesoa Kristy izay inoany sy efa nanolorany tena. Hitantsika amin’izany fa ny finoana izay ao anaty dia tsy mba voafatotra, ary tsy mamela antsika ho amin’ny fahaverezan-kevitra sy ny fahakiviana; na inona na inona zava-tsarotra sy sakantsakana tsy maintsy hosedraina sy atrehina.

2- Ny olona miasa amin’ny finoana dia mampahery ny hafa

Misaotra an’Andriamanitra i Paoly noho ny amin’i Filemona mpiara-miasa aminy, izay manana fitiavana sy finoana an’i Jesoa Kristy ary ny fahazotoany hampandroso ny Fiangonana. Zava-dehibe ny nataony, satria tao an-tokantranony no nanaovana ny fivoriana sy ny fanompoam-pivavahana. Tsy hadinon’i Paoly koa ireo mpiara-miasa hafa toa an’i Apia, i Arkipo, ary ireo mpiara-mivavaka rehetra (and.2). Nambarany fa mahatsiaro an’i Filemona amin’ny fivavahany izy. Tena ilaina ny ahafantaran’ny olona fa mivavaka ho azy ireny isika mba hampahery azy.

3- Ny olona miasa amin’ny finoana dia mahita fifaliana (and.5)

Naneho ny hafaliany i Paoly noho ny fahafantarany fa mazoto amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra i Filemona, sady manana fitiavana sy fiombonam-po amin’ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny vaovao mahafaly ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra ny fandrenesana fa miorina sy mandroso amin’ny finoana, sady mandala fiombonana ireo izay nitoriana ny Filazantsara.

Fanontaniana:

Inona no azontsika hanampiana ireo evanjelistra sy misionera?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alarobia, 9 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana Ampiasao ny Anarany (and.45) 1-Nampihorohoro fatratra an’i Saoly sy ny miaramilany…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Talata, 8 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Aza mihemotra (and.1-6) Ny olona mihemotra dia izay efa nino…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alatsinainy, 7 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Ialao ny fihatsaram-belatsihy Rehefa niverina avy tany Jerosalema i Jesoa…