Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Aogositra 2026
Sal.23:1-6 / Hira 12.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 340
Salamo 101,1 - 8
1 [Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko. 2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga at? amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho. 3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany. 4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka* iza ratsy aho,[Heb. hahalala] 5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; 6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy. 7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga. 8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.Fitsipika dimin’ny mpiasa mahatoky:
Ny Salamo faha-101 dia iray amin’ireo Salamo anambaran’i Davida ny fikasany ny amin’ny hitondrany marina ny fanjakany (sora-mandry eny ambony).
Zava-dehibe tamin’izany ny toctran’ny Mpanjaka satria izy no modely ho an’ny vahoaka.
Mila toetra mahatoky ny maha-mpitarika (toy ny mpanjaka) ka hianatra ireto Fitsipika dimy mahatsara ny fitantanana ny fiainam-piarahamoninana nananan’i Davida ireto isika:
- 1-Fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny ho fanehoana ny voninahitr Andriamanitra (and.1)
- 2-Fahitsiam-pitondrantena na dia any amin’ny takona tsy hitan’ny olona aza (…ao an-tranoko…, and.2)
- 3-Fandavana ny ratsy sy ny fitaka ka sady tsy manao izany no tsy mankasitraka an’izay manao an’izany (and.3-5)
- 4-Fifidianana olo-marina sy mahatoky hiaraha-miaina sy hiaraha-miasa (and.6)
- 5-Famongorana tsy ankiato (isa-maraina) ireo faharatsiana manimba ny fiaraha-monina, dia ny tananan’Andriamanitra (and.7-8)
Fampiharana ho antsika kristiana:
Toe-panahy sy fomba fiaina teo amin’i Jesoa Kristy koa ireo ka tokony halaintsika tahaka. Namindra fo tamin’ilay vehivavy azo olan-tanana nijangajanga izy nefa koa namaky bantsilana ny haratsiam-panahin’ireo Fariseo sy mpanoradalana nihatsaravelatsihy. Tsy nanaiky ny fanangolen’ny devoly izy raha nalaim-panahy sady nandroaka sy nandrava ny asan’i satana.
Fanontaniana
Inona na aiza avy ireo sehatra maha-mpitarika anao ka azonao hampiharana ireo fitsipika dimy ireo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady