Ny mpino mahatoky
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Aogositra 2026
Sal 92,1-6 / Hira 24,1.4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334. 2
Ohabolana 12,17 - 28
17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. 18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. 19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. 20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. 21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy] 22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. 23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana*; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana] 24 Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. 25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. 26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. 27 Ny kamo tsy mety mihaza*; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy] 28 Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.Ny mpino mahatoky
1. Tsaraina amin’ny teniny
Manan-danja sy hery lehibe ny teny eto amin’ity Soratra Masina ity. Miankina amin’ny toe-po sy fisainana ny teny avoaka. Izay misongadina eto dia ny lanjan’ny tenin’ny marina izay milaza fahamarinana sy ny tena fiainana, ary ny fahatokiana izay arahina eo amin’ny mpino Kristiana. Mila tandremana sy voafehy ary voalanjalanja tsara ny teny aloaky ny vava sao mety hanimba zavatra maro. « Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry. » (Oha. 10, 19)
2. Tarafina eo amin’ny toetrany
Ny ao am-pon’ny olona no mamaritra ny vokatra: ny olona tsara fanahy, mitondra fiadanana mandrakariva fa ny ratsy fanahy kosa mitondra fitaka sy alahelo ary faharavana. Ny fahendrena iainan’ny mpino iray dia mifandray hatrany amin’ny toe-po sy toe-tsaina izay notovozina tao amin’i Jesoa Kristy. Raha te-handroso amin’ny finoana marina dia mila dinihina mandrakariva ny toe-po sy ny eritreritra entina miaina.
3. Jerena amin’ny lalana izorany
Hita eto fa mizotra mankany amin’ny lalana mahitsy sy any amin’ny fahombiazana ary ny fitahiana mandrakariva ny marina sy ny mazoto. Toa zary lavitra azy ny endri-pahafatesana, fa fiainana sy fiadanam-po no mandrakotra ny hoaviny. Ny fahendrena ato amin’ny bokin’ny ohabolana dia tsy petra-kevitra fotsiny fa tena lalana tokony hizorana amin’ny fiainana Kristiana. Ny asa am-pitiavana sy ny fahazotoana hanaraka ny toromarik’i Jesoa Kristy no mampandroso, dia Izy ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana.
Fanontaniana:
Inona no torolalana azo omena mba hahatonga ny mpino hamoaka teny hahavokatra tsara?
Foibe Sampana Sekoly Alahady