Ny mpanompo mahatoky
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Aogositra 2026
Sal 47,1-4/Hira 14,1.2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/ Hira 305. 4
1 Korintiana 9,13 - 23
13 Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara? 14 Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. 15 Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako. 16 Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! 17 Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany. 18 Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara. 19 Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. 20 Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna; 21 tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna; 22 tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. 23 Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.Ny mpanompo mahatoky
1. Manana zo hahazo fanohanana (and.13-14)
Araka izay hita any amin’ny Testamenta Taloha dia manana zo ara-dalåna ny mpanompon’ Andriamanitra hisitraka fivelomana amin’ny asany, toy izay raisin’ny mpisorona. Asa mendrika hajaina ny fitoriana ny Filazantsara ka tokony hanohana ireo mpitory ny Fiangonana. Ny Tompo rahateo efa namepetra fa izay mitory ny Vaovao Mahafaly dia hahazo fivelomana avy amin’izany. Tsy fahadisoana ny mandray fanohanana ara-nofo.
2. Feno fanoloran-tena sy fanetrehan-tena (and. 15-16)
Paoly dia tsy nampiasa io zo nananany io, tsy ho fireharehana ho mahavita tena anefa fa mba hanehoany fahafahana hanompo ny hafa am-pitiavana. Tsy hoe ratsy ny mandray fanampiana, fa indraindray koa tsara ny mandà mba tsy hisian’ny fitarainana. Hita eto ny fo madio amin’ny fanompoana, tsy mitady tombotsoa fa manana tanjona ny amin’ny fandrosoan’ny Filazantsara.
3. Mahatsapa fa adidy napetrak’Andriamanitra ny mitory ny Filazantsara (and. 16-17).
Antso avy amin’Andriamanitra ny fotoriana ny Filazantsara fa tsy safidy fotsiny ihany. Voatendrin’Andriamanitra hanao izany izy ary tsapan’ny mpanompo marina izany. Miezaka amin’ny finoana sy ny faharetana izy ireo ka tsy ho amin’ny satroboninahitra mety ho lo fa ny fiainana mandrakizay isalorana.
4. Miezaka amin’ny lafiny rehetra ho famonjena ny maro (and. 20-23).
Nanaraka volon-tany i Paoly mba hanamorana ny fitoriana. Tsy manova ny fahamarinan’ny teny toriana izy fa nifanaraka amin’ny olona mba hahazoany azy ireo ho an’i Jesoa Kristy. Ho tsapan’izay toriana amin’izany mantsy fa miombona aminy ny mpitory. Fitiavana sy fahendren’ny mpitory izany.
Fanontaniana:
Tsapan’ny mpitory sy nyitoriana ankehitriny? Nahoana? ve izany
Foibe Sampana Sekoly Alahady