Ny olona mendrika ho mpianatr’i Jesoa

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Jona 2026

Sal. 133 / Hira. 18:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.452:1

Romana 13,1 - 7
1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. 3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao; 4 fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy. 5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. 6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny. 7 Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.

Ny olona mendrika ho mpianatr’i Jesoa

Paoly, mampianatra ny Kristiana hitondra tena mifanaraka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa azy ireo. Eto dia manazava ny fahefana sy ny fandaminana eo amin’ny firaha-monina izy. Noho ny fahefan’Andriamanitra dia:

1. Ekeo ny fandaminam-piaraha-monina (And.1,2)

Anisan’ny nanahirana teo amin’ny fisainana Kristiana ny fiheverany fa miavaka noho ny hafa rehefa nandray an’i Jesoa ho Tompo. Ary na tamin’ny andron’i Jesoa aza dia fandrika nanontaniana Azy ny hoe handoa hetra sa tsia ny mpino. Eto, dia tsy mifanohitra amin’ny navalin’i Jesoa ny an’i Paoly, dia ny hankatoavana izay fandaminana sy fahefana misy eo amin’ny fiaraha-monina. Ary tokony atao ao an-tsaina mandrakariva rahateo fa hain’Andriamanitra sady fahefany ny manome na ny manala izay fahefana omeny ny olona iray. Ny anjarantsika dia ny mankato, tahaka an’i Jesoa mpankatoa, fa tsy mpanohitra sanatria.

2. Manaova ny tsara (And.3)

Ny fahefana misy ety an-tany dia nataon’Andriamanitra hitondra fahatsarana sy firindrana eo amin’ny samy olona, ary hampanjaka ny filaminana sy fiadanana, satria izay no toetran’Ilay Mpanome. Anisan’izay tokony hampiavaka tsara ny mpino eny amin’ny fiainana andavanandro ny fahaizana maka tahaka Ilay inoana. Mba tsy ho marina ny hoe: mpino mitory fiadanana kanefa mamboly korontana. Isika mpino dia natao ho fianarana ho an’ny hafa amin’ny fahatsarana, ary mahatonga antsika hanana fitoniana ihany koa izany noho ny tsara izay nafafy. Koa fadio ny fanao ratsy rehetra.

Fanontaniana:

Toe-tsaina manao ahoana no entintsika miatrika ny fiainana andavanandro? Mifanaraka amin’ny maha Kristiana ve ka hitan’ny olona sy ny mpitondra ho voninahitry ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona resy lahatry ny fahefan’i J...

Alarobia, 17 Jona 2026

Ny olona resy lahatry ny fahefan’i Jesoa Tahaka ny fanaony, Jesoa dia nampianatra sy mitondra…

Mampiseho ny fahefany ny Tompo

Talata, 16 Jona 2026

Mampiseho ny fahefany ny Tompo Izao mofonaina izao dia maneho ny fitsaran’ny Tompo ho an’i…

Andriamanitra mahery

Alatsinainy, 15 Jona 2026

Andriamanitra mahery Salamo fiderana ity anjara mofonainantsika ity, ary hahazoantsika manakatra fa: 1. Mampiaiky volana…