Ny olona resy lahatry ny fahefan’i Jesoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Jona 2026
Sal. 103,1-5 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF22
Marka 2,1 - 12
1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, 2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. 3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. 4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa. 5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3] 8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? 10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana et? ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.Ny olona resy lahatry ny fahefan’i Jesoa
Tahaka ny fanaony, Jesoa dia nampianatra sy mitondra fahazavan-tsaina ho an’ny olona mihaino Azy, ary hita fa maro ny olona nanaraka Azy tamin’izany satria dia feno hipoka ilay toerana. Nisy koa ireo izay nandre ny lazany tahaka ireto lehilahy efatra izay maika ery hitondra ilay namany marary tsy afa-mihetsika. Ny olona resy lahatry ny fahefan’i Jesoa dia:
1. Mahasahy mihoatra ny sakana (And.3, 4)
Azo antoka fa nandre sy nino ny lazan’i Jesoa ireto efa-dahy ireto ka tsy nisalasala nitondra ilay marary ho Aminy. Nisedra olana anefa satria efa feno olona ny trano ka tsy afaka niditra moramora nanatona amin’i Jesoa. Tsy nahasakana azy ireo izany, ary nitady izay fomba hahatongavana eo amin’ny Tompo izy ireo. Rehefa resy lahatra ny amin’ny fahefan’i Jesoa ny olona dia hanana fahasahiana ka tsy hijanona amin’ireo sakatsakana maro, fa handroso hatrany amin’ny fanatonany Azy mba hahazo famonjena, na dia hamoizana fananana aza, toy ilay tafo noravàna.
2. Mahazo famelan-keloka (And.5)
Nahalasa saina ireto mpanora-dalàna ny hoe iza moa i Jesoa no manorrona famelan-keloka ho an’ity lehilahy ity, kanefa asan’Andriamanitra izany. Saingy nasehon’i Jesoa ny fahefany afaka mamela heloka, izay fototry ny vahaolana rehetra eto. Tsy mba nanisy adihevitra ity marary fa dia nankatoa tanteraka izay nasain’i Jesoa nataony, satria fantany izay inoany. Manoloana ireo heverintsika ho mamatotra antsika noho ny fahotana, tsarovy fa tsy misy lalana hahazoantsika famelan-keloka raha tsy ao amin’i Jesoa irery ihany.
Fanontaniana:
Hatraiza ny faharesen-dahatra ao anatintsika ny amin’ny famonjen’i Jesoa? Ary inona no mbola sakana tsy hanatonantsika Azy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady