Mampiseho ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Jona 2026

(Sal 98,1-3 / Hira.21 /Vavaka / Mofonaina/Vavaka / Hira.460)

Isaia 10,26 - 34
26 Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta. 27 Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba] 28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy, 29 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly; 30 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra! 31 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra. 32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema. 33 Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry; 34 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.

Mampiseho ny fahefany ny Tompo

Izao mofonaina izao dia maneho ny fitsaran’ny Tompo ho an’i Asyria raha toa ka nampiasainy izy ireo hanasaziana an’Israely, saingy nahatezitra ny Tompo ny haratsiam-panahin’ny mpanjaka tamin’izany, koa niafara amin’ny famaizana. Mampiseho ny fahefany ny Tompo ka:

1. Manala izay manavesatra ny olony (And.26, 27)

Manao fanoharana samihafa ny amin’ireo izay efa nataon’ny Tompo ny Soratra Masina (And.26). Ary mampanantena fanafahana indray (And 27). Maneho izany, fa tsy mijery fotsiny ny fahoriana mahazo ny olony Izy Tompo. Niampita teo amin’i Jesoa izany ka na maro aza ny zavatra nangeja sy namatotra ny olona dia tonga Ilay Mpanafaka nitondra fanafahana ho an’ny olona. Mahita ny manjo antsika ny Tompo, koa tsarovy fa sitrany indrindra ny hanalana izay manavesatra ny olony ka anehoany ny fahefany mihitsy izany.

2. Mandrantsana ny ratsy fanahy (And.33, 34)

Rehefa nobabon’ny Asyriana ny Isiraelita dia nanararaotra izany izy ireo ka niseho ho tsy refesi-mandidy, ary naneho ny haratsiany. Noho izany, nampanantena sy nampahery ny olony Andriamanitra fa tsy haharitra amin’ny faharatsiany ny ratsy fanahy ary ho avy ny Tompo handrantsana azy ireo. Maro ny zavatra mamatotra ny olona tahaka ireo famatoran’ny satana, ary tena maneho ny heriny sy ny fahefany mihitsy izy. Toa te hampiseho amin’ireo izay voageja fa azy irery ny fahefana, saingy rehefa tonga ny Tompo hanapaka sy handrantsana ny haratsiam-panahy dia miseho ny Fahefany izay mihoatra lavitra noho ny fahefan’ilay ratsy. Koa Matokia ny Tompo fa Azy ny fahefana ambony indrindra.

Fanontaniana:

Tsapanao eo amin’ny fiainanao ve ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fahoriana mianjady aminao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Andriamanitra mahery

Alatsinainy, 15 Jona 2026

Andriamanitra mahery Salamo fiderana ity anjara mofonainantsika ity, ary hahazoantsika manakatra fa: 1. Mampiaiky volana…

I Jesoa maniraka

Alahady, 14 Jona 2026

I Jesoa maniraka I Jesoa tompon’ny fahefana no maniraka hoe: 1. Mandehana (and 18) <<<…

Mendri-pisaorana Jehovah

Asabotsy, 13 Jona 2026

Mendri-pisaorana Jehovah Fanontaniana telo no valian’ny anjara mofonainantsika: 1. Inona no mendrika an’i Jehovah ?…