I Kristy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Jona 2026
Sal 89.1-4/Hira 164: 1/ Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 164: 2, 3
Hebreo 3,1 - 6
1 [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, 2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7] 3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. 4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. 5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; 6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.I Kristy
Ampianarin’ny mofonaina anio isika fa i Kristy dia:
1. Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra (and 6a)
Raha milaza ny Epistily eto hoe zanaka dia efa manasinkasina ny maha Andriamanitra feno an’i Jesoa izany, satria Izy tokoa no Zanaka lahitokan’Andriamanitra, nateraky ny rainy talohan’izao rehetra, hoy ny filazantsika ao amin’ny fanekem-pinoana Nikeana. Fa ambonin’izany ny hevitry ny hoe tranon’Andriamanitra dia mahazo roa: voalohany dia ilazana ny fonenan’Andriamanitra sy ny fanjakany, ary ny faharoa kosa dia ilazana ny ankohonan’Andriamanitra mihitsy. Tsy ny satan’ny mpanompo no anondroana an’i Kristy (and 5) fa tena Zanaka, ary izany no nirahin’Andriamanitra mampiavaka Azy amin’ireo efa (Mosesy…)
2. Manana antsika ho tranony (and 6b)
Eto kosa dia asongadin’ny mpanoratra, raha milaza izy fa isika no tranon’i Kristy, fa isika dia asany, nisahiranany, naoriny ary tonga iray ankohonana Aminy, manjary zanak’Andriamanitra. « Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa. » (Romana 8.17). Mby aiza manoloana izany maha mpiray lova amin’i Kristy izany tokoa moa isika, ary ahoana no iainantsika izany?
3. Antoky ny fanantenantsika (and 6d)
« …raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. » hoy ny Epistily. Ny hevitr’izany dia izao: ilay mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra dia marina tokoa araka ny fanazavana teo fa noho ny amin’i Kristy, kanefa tsy azo odian-tsy hita mihitsy koa fa misy fanapahan-kevitsika madiodio dia ny hihazona mafy ny fanantenana.
Fanontaniana:
Iza marina moa i Kristy aminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady