Mahatsiaro i Jehovah
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Jona 2026
Sal 92,12-15 / Hira 170: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira170: 2
Zakaria 9,9 - 10
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]Mahatsiaro i Jehovah
Ny dikan’ny anarana hoe Zakaria dia hoe: mahatsiaro i Jehovah. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tsy manadino ny olona na oviana na ovina ny Tompo, ary izany dia:
1. Loharanom-pifaliana (and 9)
« Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy, manaova fifaliana ry Jerosalema zanakavavy… » hoy ny mpaminany eto raha mitodika amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Misongadina eto fa tsy misy fifaliana mihoatra ny hoe tsy adinon’Andriamanitra na sanatria ataony ankilabao akory ny olony fa ao am-pony mandrakariva ary tiany hovonjena sy hamindrana fo hatrany, ka na ny fiantsoany aza aza dia « zanakavavy»
2. Loharanom-patokiana (and 9b)
« Indro ny mpanjakanao avy ho anao… » hoy indray ny mpaminany eto. Tamin’ny vanim-potoana tranainy dia vahoaka mangasihasy izany vahoaka tsy manana mpanjaka izany, ary raha manana mpanjaka fa lozabe ka tsy azo atonina dia fahoriana mihoam-pampana izany. Fa eto kosa dia tsy ny vahoaka aza no manatona fa ny mpanjaka no tamy. Ahatsiarovana ny niakaran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema ity. Jesoa mpanjaka tonga manatona hitondra famonjena.
3. Loharanom-piadanana (and 10)
« Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima… ». Ny dikan’ity teny ity kosa dia izao: horesen’i Jehovah ny fahavalo ka Izy no hiady, ary tsy hitaintaina na hatahotra intsony ny olona fa sady hiaina fiadanana, no hiaina fihavanana no hisitraka fandriampahalemana! Izany no tombontsoan’ny manana an’i Jesoa mpanjaka! mpamonjy
Fanontaniana:
Nahoana no mahatsiaro ho tsy adinon’Andriamanitra ianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady