Ny fahefan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Jona 2026
Sal 136.1-12 / Hira 16:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 16.2.3
Genesisy 1,1 - 5
1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.Alatsinainy, faha 08 Jona 2026
Sal 136.1-12 / Hira 16:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 16.2.3
Genesisy 1.1-5
Ireto andininy 5 voalohany ao amin’ny Baiboly ireto dia mampahatsiahy antsika fa ny fahefan’Andriamanitra:
1. Tsy azo refesina (and 1)
Ny teny hoe: << Tamin’ny voalohany… », dia milaza fotoana. Mancho amintsika miharihary izany fa tsy fehezin’ny fotoana Andriamanitra. lo teny io dia sady milaza ny fiandohan’izao rehetra izao, ary Andriamanitra efa teo; no efa mampanarangarana sahady ny ho avy. lo teny io mantsy rehefa alalinina, dia efa milaza sahady ny hoe: <<< zanak’Andriamanitra mpamonjy torotoroina co amin’ny hazofijalaina », izany hoe na ny lasa na ny ankehitriny sy ny ho avy rehetra dia tsy misy midila amin’Andriamanitra!
2. Tsy azo fehezina
Ny tohiny dia hoe: « nahary ny lanitra sy ny tany… ». Ity matoanteny hoe nahary ity, dia tsy ampiasaina mihitsy ao amin’ny Soratra Masina afa-tsy amin’Andriamanitra ihany, ary maneho ilay fahefany afaka mampisy avy amin’ny tsy misy ary koa mandamina sy mandrindra izay rehetra mikorontana ka tsy misy endrika sady foana, ho tsara.
3. Masi-mandidy
Raha Andriamanitra no miteny hoe: «Misia mazava dia nisy mazava. Izany herin’ny Tenin’Andriamanitra izany sy ny fahefany no maneho sy mampihasinkasina amintsika fa masi-mandidy Izy. Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ary tsy nisy na iza na iza teo amin’izao tontolo izao ka hoe izay naloaky ny vavany dia to, na tanteraka avy hatrany. Mitaona antsika izany hatoky an’Andriamanitra. Velona sy mahery Izy. Ary mbola ny Teniny aza no tonga nofo ho famonjena izao tontolo izao dia i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Hatraiza ny fahatsapanao izay fahefan’Andriamanitra izany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady