Ny fanomanana ny Paska

Mofonaina anio: Talata, faha 31 Martsa 2026

Sal 96. 1-5 / Hira 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 630

Lioka 22,1 - 4
1 Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska. 2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy. 3 Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy; 4 dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
Ny fanomanana ny Paska
1-Ny nataon’i Jodasy
Samy sahirana amin’ny zavatra izay heveriny hatao na i Jesoa na i Jodasy. Raha ny tantara dia i Jodasy nanomana ny famadihana an’i Jesoa. Niditra tao aminy i Satana, dia nankao amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’izay hamadihany Azy (and 3-4). Toy izany no fanomanana nataon’i Jodasy, tetika efa maty paika, ary tsara rindra. Ry havana, ny satana dia tsy faly ny amin’izay ijoroanao ho mpanompon’ Andriamanitra. Tsarovy fa mitady tetika mandrakariva izy ny amin’ izay handavoana anao, eny hahafaty koa aza. Aza mba mety ho fitaovana toa an’i Jodasy ianao. Raha sendra nalaim-panahy kosa ka niray tetika tamin’ny satana hamadika ny marina, fotoana fandinihan-tena izao, miverena ao amin’ny Tompo, mandray anao Izy.
2-Ny nataon’i Jesoa.
« Fa i Jesoa kosa naniraka ny mpianatra nitokiany dia i Petera sy Jaona hanomana ny Paska » (and.7-8). Andro firavoravoana teo amin’ny Jisoy ny Paska, fety lehibe andraisan’ny maro anjara, indrindra ny zanak’Andriamanitra, ary aloky ny zavatra ho avy (Kol2.16-17;Heb 10. 1). Ny famonjem-pahasoavan’Andriamanitra no ivo sy vontoatin’ny Paska. Ilana fanomanana tokoa izany, ary niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany ny nanatanteraka ny zava-drehetra. Ry havana, fotoam-piomanana ho amin’ny Paska ny vanim-potoana izay lalovantsika. Ialao ny toetra feno famadihana ny marina toy ny nataon’i Jodasy, fa meteza kosa handray famonjena avy amin’i Jesoa Kristy, satria efa nalatsany ho antsika ny ràny ho fanavotana ho antsika. « fa voavono i Kristy ho fanavotana ho antsika » (1 Kor 5. 7)
Fanontaniana: 
Fanomanana ho an’iza no niomananao amin ‘izao andro Paska izao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady 

Mofon'aina teo aloha

Ny fiainana kristiana

Alatsinainy, 30 Martsa 2026

Ny fiainana Kristiana 1-Fitiavana ny olona rehetra Ny Filazantsara araka an’i Lioka no mampahatsiahy antsika…

Ilay Mpanjakan’i Ziona

Alahady, 29 Martsa 2026

Ilay Mpanjakan’i Ziona 1-Feno fanetren-tena Ny « … mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora » (and 9a). Mesia…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Asabotsy, 28 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1-Mahaiza misaotra an’Andriamanitra Tsy mora ny asa izay hosahanin’i…