Ilay Mpanjakan’i Ziona
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Martsa 2026
Sal 106. 1-5 / Hira 167 / Vavaka/ Mofonaina / Vavaka / HF 47
Zakaria 9,9 - 11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Ilay Mpanjakan’i Ziona
1-Feno fanetren-tena
Ny « … mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora » (and 9a). Mesia mpanjaka dia ho avy ho an’ny olona. Tsy soavaly no hitondra azy fa zana-boriky izay manambara ny fanetren-tena. Tsy tonga toy ny mpanafika izy fa toy ny mpanompon’ Andriamanitra manetry tena sy mitondra fiadanana. Tsy toy ny mpanjaka ratsy fanahy tamin’ny andro taloha, fa mpanjaka marina, hitondra famonjena hanafaka ny olona. Malemy fanahy, tsy be rehaka sy renty toy ny mahazatra tamin’ny mpanjaka rehetra, fa feno fanetren-tena. Toetra tsara halain-tahaka ho antsika koa ny nataon’i Jesoa. Manetre tena mba ho ohatra sy ho modely amin’ny fiainana. Tsarovy fa i Jesoa dia nietry ary nanetry tena mba hamonjy antsika mpanota.
2-Hitondra fiadanana.
Raha miteny hoe « fiadanana » dia ilazana ny fandriam-pahalemana maharitra eto amin’izao tontolo izao, rehefa tonga ny Mesia, ilay Andrian’ny Fiadanana. Hampanjaka ny fanjakany mandry fahalemana amin’izao tontolo izao. Izany hoe tsy hisy ny ady, fa ny fahefan’i Kristy no hanapaka maneran-tany. Ny Filazantsara araka ny an’i Jaona koa no manamafy ny amin’ny Fiadanana izay omen’i Jesoa hoe « Fiadanana no avelako ho anarco, ny fiadanako no omeko anareo » (Jao14. 27). Jesoa Kristy no hitondra Fiadanana ho antsika, ho feno fahalemana anie ny momba antsika eo am-piatrehana ny fotoam-pandinihan-tena. Matokia Azy fa hataony tanteraka ny momba anao, mijoroa hatrany ho vavolombelony, aza mihemotra na dia sarotra aza ny asa fanompoana noho ny amin’ny Tompo. Tsarovy fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina noho ny amin’ny Tompo. Mahereza dia mahefa be.
Fanontaniana:
Moa mahatsiaro ho manana fiadanana ve ianao eo ampanatanterahana ny asa fanompoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady