Ny mpanompo miroso amin’ny fandinihan-tena.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Martsa 2026

Sal 117 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 470.1,2

Salamo 51,1 - 12
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala] 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

Ny mpanompo miroso amin’ny fandinihan-tena.

1-Manaiky ny fiaiken-keloka

Fantatr’i Davida tsara fa mpamindra fo sy be fiantrana Andriamanitra (and 1), ka izany indrindra no ananany fanantenana ny hahazo famelan-keloka. Niaiky ny heloka vitany izy teo anatrehan’ Andriamanitra, ary izany no nibabohany nanao hoe: « Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehanako mandrakariva ny fahotako » (51. 3). Ny olona miaiky ny heloka vitany dia sahy miteny toa an’i Davida hoe: « Taminao dia Taminao ihany no nanotako » (51.4). Niaiky i Davida fa nandratra olona, kanefa fantany fa mpitsara marina sy masina Andriamanitra. Ry havana, raha nanota ianao, mahaiza miaiky heloka eo anatrehan’ Andriamanitra; aza mba ho anisan’ny mpanamarin-tena amin’ny ratsy natao, fa ny heloka ibabohana mody rariny.

2-Mahay mangataka amin’Andriamanitra

« … diovy hysopa aho ho afa-pahotana » (51.7). Ny fahatsapan’i Davida ny fahotana vitany no nahatonga azy hangataka famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy hoe: « afeno ny tavanao ny fahotako » (51.9). Nangataka izy mba hanana fo madio (51.10a). Satria ny fo no loharano ipoiran’ny fanapahan-kevitra izay volavolain’ny saina. Koa nangataka amin’ Andriamanitra izy mba hanana fo madio, mba tsy holazoin’ny ota intsony. Ry havana, zava-dehibe eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fahaizana mangataka, indrindra amin’izao fotoana izao. Herezo àry, aoka tsy ho diso fangataka isika, miandry antsika ny Tompo be fitia fa izay mangataka no homena.

Fanontaniana:

Raha mangataka ianao, inona no laharam-pahamehana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Talata, 24 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1-Manana fiainam-pankatoavana sy fahatokiana Izay ambara amin’izao mofonaina izao…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Alatsinainy, 23 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Tsy mahasoa ny fifandirana Raha vao vita ny fanambaran’i…

Ny fitsaran’Andriamanitra

Alahady, 22 Martsa 2026

Ny fitsaran’Andriamanitra 1.Tsy azo ihodivirana (and.3) Teo amin’ny faliny etika sy ny fomba fiainana dia…