Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Martsa 2026

Sal.103.20-22 / Hira 20 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471

1 Tantara 28,8 - 10
8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy. 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo

1-Manana fiainam-pankatoavana sy fahatokiana

Izay ambara amin’izao mofonaina izao dia ny fanorenana ny Tempolin’i Jehovah. I Davida no nikasa hanatanteraka fa i Solomona no sitrak’i Jehovah. Mba hahatanteraka izany anefa dia takiana tamin’i Solomona sy ny vahoaka izay tononina ho Fiangonanan’i Jehovah ny hananan’izy ireo ny fiainam-pankatoavana sy fahatokiana an’ Andriamanitra. Mahay manaiky ny torohevitra izay atolotra mba hahatratrana ny tanjona. Koa mahaiza manetry tena, ialao ny fanambonian-tena, fa sakana tsy handrosoana izany. Mahaiza mankato, matokia an’Andriamanitra fa hataony lavorary ny fikasanao. Tandremo ny didiny.

2-Tadiavo mandrakariva Izy

Raha mitady Azy ianao dia hahita Azy (and 9). Ny hafatra napetrak’i Davida tamin’i Solomona dia ny hahafantatra tanteraka an’Andriamanitra sy ny hanompo Azy, ary hitady Azy, amin’ny fanoloran-tena sy fanahy mazoto. Asa goavana no tanterahina ka tokony hanana firaisam-po akaiky Aminy sy amin’ny Teniny. Hoy koa i Jesoa « Mitadiava dia hahita ianareo » (Mat 7.7). Nolazainy tamin’ny fotoanandrony izany, nefa mbola marina ankehitriny. Tsy maintsy maka ambony, maka ambany ny amin’izao andraikitra napetraka aminy izao i Solomona, ka hitady an’i Jehovah mandrakariva mba hahalavorarian’ny asa (and10). Isika koa, efa nofidin’Andriamanitra hanao ny asany, tadiavo Izy, aoka ho feno fanetren-tena, fa izay no sitrak’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Mbola manana anjaran-toerana eo amin’ny fiainan’ny olona ve Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Alatsinainy, 23 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Tsy mahasoa ny fifandirana Raha vao vita ny fanambaran’i…

Ny fitsaran’Andriamanitra

Alahady, 22 Martsa 2026

Ny fitsaran’Andriamanitra 1.Tsy azo ihodivirana (and.3) Teo amin’ny faliny etika sy ny fomba fiainana dia…

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ...

Asabotsy, 21 Martsa 2026

Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo. 1.Efa nandao, nihodina tamin’i Jehovah ny Israely Voalaza ao…