Ny fitsaran’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Martsa 2026
Sal. 100 / Hira 18, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336
Romana 2,1 - 11
1 [Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona] 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany. 3 Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona] 4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, 6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: 7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; 8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, 9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; 10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.Ny fitsaran’Andriamanitra
1.Tsy azo ihodivirana (and.3)
Teo amin’ny faliny etika sy ny fomba fiainana dia nihevi-tena ho tsara kokoa noho ny Jentilisa ny Jiosy (1, 18-32). Meloka anefa izy satria izay ataon’ny Jentilisa dia nataony koa. Noho izany, tsy afaka miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo. Tsy azo ihodivirana ny fitsaran’Andriamanitra na iza na iza satria miorina amin’ny fahamarinana tsy miangatra. Mahalala antsika tanteraka Andriamanitra, ny tsirairay, ny vondron’olona, ny foko ary ny mpiara-mivavaka. Tsarainy araka ny ataontsika, araka ny fiainantsika (Mat. 5, 28), araka ny tenintsika (Jak. 3, 3-12). marina ny fitsarany, tsy azo ihodivirana.
2.manam-paharetana (and.4)
Indraindray dia manontany tena isika hoe : maninona no avelan’Andriamanitra hitohy ny ota sy ny tsy rariny? Tsy rototra ve Andriamanitra? Tsia ! i Paoly dia milaza fa manam-paharetana Andriamanitra, ka manome fotoana hibebahana. Mahari-po sady be famindram-po izy, miandry antsika handini-tena, hanenina amin’ny ratsy vita. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery antsika.
3.Marina (and. 5-11)
Ambaran’i Paoly eto fa hsy fahoriana sy fahantrana ho an’izay rehetra manao ratsy, fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara. Araka ny ataon’ny tsirairay no hitsarana azy. Tsy mandefitra Andriamanitra, marina ny fitsarany, fa tsy tahaka ny fitsaran’olombelona, tsy mizaha tavan’olona izy, fotoam-pibebahana izao, andeha isika handini-tena, ka hiverina ao amin’Andriamanitra sy hanao ny marina. Tsarovy fa ota no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra. Andao hibebaka !
Fanontaniana :
Azo atao ve ny mitsara ny hafa, ary misy fetrany ve izany ?
Foibe Sampana Sekoly Alahady