Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Martsa 2026

Sal. 46, 1-4 / Hira 307 / Vavaka / Mfonaina / Vavaka / Hira 303, 4

Lioka 7,18 - 23
18 Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. 19 Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 20 Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankat? aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? 21 Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. 22 Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. 23 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

Ireo irak’i Jaona mpanao Batisa

1.Milaza ny asa nataon’i Jesoa

«Ny mpianatr’i Jaona dia nanambara izany rehetra izany taminy.» (and.18) Ny nananganan’i Jesoa ny zanakalahin’ilay mpitondratena no ambara eto. Satria niely nanerana an’i Jodia sy ny tany manodidina rehetra ny lazan’i Jesoa (and.17). I Jesoa koa dia efa nanao asa lehibe teo amin’ny fiainantsika. Lazao amin’ny hafa mba hahatonga azy ireny ho amin’ny fandinihan-tena sy firosoana amin’ny fanompoana ny Tompo. Tsarovy fa anisan’ny asa izay nanirahan’Andriamanitra Azy teto an-tany ny fananganana ny maty, sy ny fanasitranana ireo marary maro, ny famoahana demonia, nampahiratra ny jamba, nampalady ny marenina, ary nampandeha ny mandringa (and.22). Isika koa dia afaka milaza ny nataon’i Jesoa teo amin’ny fiainantsika. Fotoana fandinihan-tena izao, mijoroa hatrany. Lazao dia zarao sy ambarao fa momba mandrakariva ny Tompo Jesoa.

2.Miorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Na dia teo aza ireo asa fanasitranana sy fananganana ny maty izay nataon’i Jesoa tamin’ny mpiara-belona taminy dia heverina hoy tsy kisendrasendra akory izany, araka izay nandaharan’i Lioka azy eto. Atolotr’i Jesoa an’i Jaona ireo fahagagana sy fitoriana ny Filazantsara amin’ny malahelo, mba hitoerany amin’ny finoana. Satria moa i Jaona mpanao Batisa dia mpialoha lalana an’i Jesoa (na Mesia). Rariny loatra raha nampiorina ny finoana izy hirindran’ny asa izay nanirahan’ny Tompo azy. Niseho koa izany mba mba hahatonga ny vahoaka maro manodidina azy ho amin’ny fandinihan-tena marina.

Fanontaniana :

Mbola manaiky ny irak’Andriamanitra ve ny olona amin’izao fotoana izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena n...

Alarobia, 18 Martsa 2026

Mitaona ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo 1.Aza mandika ny didin’Andriamanitra Raha ny tantara izay voalaan’ny…

Mampandini-tena antsika ny Tompo

Talata, 17 Martsa 2026

Mampandini-tena antsika ny Tompo satria: 1. Mielina izao fiainana izao. Mieritreritra momba ny fielin’ny fiainana…

Sarobidy ny fihainoana

Alatsinainy, 16 Martsa 2026

Sarobidy ny fihainoana satria: 1.Hankatoavana ny Tenin’Andriamanitra Sarobidy ny fihainoana mba hankatoavana ny tenin’Andriamanitra. Azo…