Ny olona mandre fananarana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Martsa 2026

Sal.43.1-5 / HF 42 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 20

Joba 34,1 - 9
1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: 2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. 3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany] 4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. 5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny; 6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. 7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano. 8 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy? 9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.

Ny olona mandre fananarana

1-Mihaino

« Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana. » (And. 2) Eliho dia iray amin’ireo naman’i Joba tonga nampahery azy noho ny aretina sy ny fahoriana nanjo azy, tamin’ny fizahan-toetra mahamay nahazo azy. Taomin’i Eliho hihaino, izany hoe: manongilan-tsofina, hankato ny teny izay lazainy i Joba. Eto ihany koa no ampahatsiahivana ny Kristiana fa raha misy mananatra, manitsy, mitarika amin’ny lalan’ny fahamarinana, dia tokony manaiky hihaino sady maneho fahavonona hankato. Fa voasoratra hoe: « Izay tia fananarana no tia fahalalana; fa izay mandà anatra dia biby. » (Oha.12. 1). Jesoa Kristy no fianarana ho antsika amin’ny fahavonoanana hankato izany. Nasehony izany tamin’ny fankatoavany ny Ray, eny, hatramin’ny fahafatesana aza.

2-Manetry tena

« Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’i Joba, izay manaram-po amin’ny famingavingana toy ny fisotro rano. » (And. 7). Ny fomba fisainan’i Eliho sy ny naman’i Joba ary ny olona tamin’izany dia izao: matoa iharam-pahoriana i Joba dia nanota. Ho fanitsiana izany fomba fisainana izany no nanoratana ny bokin’i Joba. Tsy nanota i Joba na dia nihatra taminy aza izao fahoriana izao. Kanefa tokony hanetry tena hatrany eo anatrehan’Andriamanitra. Araka izany, ny fisian’ny fahoriana mihatra eo amin’ny fiainan’ny olona mino dia tsy voatery noho ny fahotana vitany akory fa fanamby ataon’Andriamanitra amin’ny satana. Ao anatin’ny fahoriana indrindra kosa dia tokony haneho fanetren-tena hatrany. Jesoa no ohatra velona azo alain-tahaka amin’izany.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba fiatrehanao fahoriana sy fahasahiranana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Jesoa Kristy manome ny hevitry ny la...

Alarobia, 11 Martsa 2026

Jesoa Kristy manome ny hevitry ny Lalàna 1- Manova ny fisaianan’ny olona « Fa Izaho kosa…

Ny olona marina

Talata, 10 Martsa 2026

Ny olona marina 1-Manahaka an’i Kristy « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny…

Ny sabata

Alatsinainy, 9 Martsa 2026

Ny Sabata 1-Natao hitondra fiainana « Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny…