Ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Martsa 2026

Sal. 46. 1-3 / Hira 39 1, 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 303

Lioka 5,1 - 11
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.

Ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa

1- Ahazoana vokatra tsara

«kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato,» (And. 5). Nanarato teo amin’ny farihin’i Genesareta nandritra ny alina ry Simona fa tsy nahazo. Niditra tao an-tsambokely nampianatra i Jesoa. Rehefa vita ny Tenin’i Jesoa dia nasain’i Jesoa nalatsaka indray ny harato ka nahazo hazandrano maro satria nankato ny Tenin’i Jesoa i Simona. Araka izany, rehefa mankato ny Tenin’i Jesoa ny olona dia hahazo vokatra be amin’ny asa ataony. Ny herin’ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa no miteraka fahombiazana amin’ny asa izay atao. Koa raha tianao ny hahita fahombiazana amin’ny asa atao dia ekeo sy ankatoavy ny Tenin’i Jesoa, fa antoka hahombiazanao izany.

2-Ahatsiaroavan-tena ho mpanota

«Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.» (And.8) Teny nataon’i Simona Petera izany rehefa nahazo hazandrano be dia be izy. Nisy fisalasana ihany tao amin’i Simona Petera fony vao nandatsaka ny harato izy. Izany fisalasana izany dia vokatry ny tsy finoana. Ary izany no nahatonga an’i Simona Petera nahatsiaro tena ho mpanota. Ho antsika kristiana, tarovy fa ny fahasoavana nomen’i Jesoa antsika, nialohavan’ny fisalasalana sy tsy finoana, dia mahatonga antsika hiankohoka sy hiaiky eo anatrehan’i Jesoa Kristy fa mpanota. Fahotana ny mihevitra fa mety tsy mahomby tahaka ny ezaka ataon’ny olona tsy misy finoana sy fiankinana amin’i Jesoa ny vokatry ny fankatoavana ny Teniny. Koa ankatoavy ny Tenin’i Jesoa dia hahomby ny asa ataonao.

Fanontaniana:

Inona no antony mampisalasala ny olona amin’ny Tenin’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mamantatra ny tenany

Zoma, 6 Martsa 2026

Ny olona mamantatra ny tenany 1-Mandinika ny finoany « Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana…

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’A...

Alakamisy, 5 Martsa 2026

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’Andriamanitra 1. Fahamarinana ara-piarahamonina Rv olombelona, efa naseho anao izay…

Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo

Alarobia, 4 Martsa 2026

Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo 1-Mahatsiaro ny fahotany «Koa ahoana no imonomononan’ny olona mbola…