Ny olona mamantatra ny tenany

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Martsa 2026

Sal.92. 1-5 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295 1,4

2 Korintiana 13,5 - 10
5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? 6 Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina. 7 Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay. 8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. 9 Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo. 10 Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.

Ny olona mamantatra ny tenany

1-Mandinika ny finoany

« Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia… » (And. 5). Ny Fiangonana tao Korinto dia variana nandinika my tenan’i Paoly Aposty, nitsikera azy fa tsy mba nandinika ny finoany, kanefa ny finoan’izy ireo efa mizotra mankany amin’ny faharavana. Manoloana izany, nitaona azy ireo handinika ny tenany i Paoly Apostoly. Ho antsika ihany koa, aza variana mijery ny hafa na mitsikera ny finoan’ny hafa, kanefa ny finoanao efa miharava. Fantaro ny tenanao na mino an’i Jesoa Kristy tokoa hianao na tsia. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ny fanekena Azy ho Tompo. Raha efa nihena ny finoanao dia ampitomboy fandrao ny fitsikeranao ny hafa vao mainka hampihena azy hatrany. Mandiniha tena!

2-Manamarina ny finoany

« Izahao toetra ny tenanareo. » (And. 5) Ny Fiangonana tany Korinto dia nandinika an’i Paoly sy fampianarany. Nisy aza nihevitra fa ny fampianaran’i Paoly dia tsy araka an’i Kristy. Izany no nahatonga an’i Paoly nitaona ny mpino tsirairay mba hanamarina ny finoana ao anatiny na araka an’i Kristy na tsia. Araka izany, manana adidy hanamarina ny finoany ny kristiana tsirairay. Tsy mijanona hatreo amin’ny filazana ny fahadisoam-pinoan’ny hafa fotsiny fa mamamntatra ny finoana ao anatiny na araka an’i Kristy na tsia. Mila sahy miteny tahaka ny nataon’i Paoly ny Kristiana tsirairay hoe « fantatro izay inoako » (2Tim.1. 12). Izany hoe azony antoka ny finoany an’i Kristy fa marina. Koa izahao toetra ny finoanao.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olona variana mandinika ny hafa kanefa manadino mijery ny tenany? Inona ny vahaolana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’A...

Alakamisy, 5 Martsa 2026

Ny fanatitra tsara indrindra ho an’Andriamanitra 1. Fahamarinana ara-piarahamonina Rv olombelona, efa naseho anao izay…

Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo

Alarobia, 4 Martsa 2026

Ny olona miaina ao anatin’ny alahelo 1-Mahatsiaro ny fahotany «Koa ahoana no imonomononan’ny olona mbola…

Ny olona manana an’i Kristy

Talata, 3 Martsa 2026

Ny olona manana an’i Kristy 1-Manao ny tsara «…tsy hanao izay ratsy ianareo, (..), fa…