Ny akon’ny Soratra Masina eo amin’ny Mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Febroary 2026

Sal 88,1-3 / Hira 203 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487 :1,3

2 Mpanjaka 23,21 - 25
21 Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity. 22 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda; 23 fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema. 24 Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah. 25 Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.

Ny akon’ny Soratra Masina eo amin’ny Mpanompon’Andriamanitra

Nisy vokany teo amin’ny Josia Mpanjaka ny fahitana ny bokin’ny lalàna tao amin’ny Tempoly.

1. Mahatsiaro ny asan’Andriamanitra (And.21-23)

Rehefa nandre izay voasotra tao amin’ny bokin’ny lalàna ny mpanjaka dia nandidy mba hitandremana ny Paska. Ny Paska dia ahatsiarovana ny asan’Andriamanitra tamin’ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Voalaza eto fa tsy mbola nisy fitandremana toy izany. Namerina ao am-pon’ny vahoaka indray ilay asan’Andriamanitra mahagaga tamin’ny fandalovan’ilay anjely. Ny famakiana ny Soratra Masina, araka izany, dia mampitodika antsika ao amin’ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny Hazofijaliana ka nandatsahany ny rany ho fanadiovana sy ho famelan-keloka ary mba hananana fiainana raha mino.

2. Mihavao amin’ny fanompoana (And.24-25)

Tsy nijanona tamin’ny fitandremana ny Paska ihany fa niroso indrindra koa tamin’ny fanadiovana ny tontolo ara-pivavahana mihitsy. Noravana sy nesorina avokoa ireo sampy sy ny forongony teo amin’ny fanjakana. Tena fanavaozana lehibe no nataon’i Josia mpanjaka noho nihainoany sy nankatoavany izay rehetra voasoatra tao. Tafaverina tanteraka amin’ny fitiavana sy ny fanompoana an’Andriamanitra marina tokoa izy amin’ny momba azy manontolo. Eo amin’ny fiainan’ny mpino, ny Tenin’ Andriamanitra dia miteraka fihavaozana sy fanavaozana lehibe raha tanterahina tsy misy fepetra. Araka izany, tokony hihavao mandrakariva ny fanompoana ny Tompo fa tsy ho toy ny zavatra tsy mihetsika.

Fanontaniana:

Manan-kery aminao isan’andro? ve ny Tenin Andriamanitra renco

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Mibanjina ny mandrakizay ny mino

Alakamisy, 26 Febroary 2026

Mibanjina ny mandrakizay ny mino Nitangoronan’ny olona Jesoa satria nanafaka azy tamin’ny hanoanana. Nikaroka mihitsy…

Manao ny asan’Andriamanitra ny olom-...

Alarobia, 25 Febroary 2026

Manao ny asan’Andriamanitra ny olom-boavonjy Epistily fampaherezana ny Kristiana tany Roma mba hanana toe-tsaina mifanaraka…

Mifamatotra amin’ny fahalalana ny So...

Talata, 24 Febroary 2026

Mifamatotra amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ny vavaka Fihetsika nahatalanjona ireo mpianatra no nasehon’i Jesoa…