Manana ny fomba fiasany ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Febroary 2026

Sal 145,1-7 / Hira 9:1,2,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

Matio 21,33 - 46
33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy. 34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. 35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. 37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. 38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. 39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy. 40 Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? 41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy. 42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23). 43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. 44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo*.[*Gr. haely toy ny vovoka] 45 Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany. 46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

Manana ny fomba fiasany ny Tompo

Fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ireo mpikarakara ny tanim-boaloboka sy ny nataony manoloana Ilay Tompon’ny tany. Ny Tompo sy ny fomba fiasany:

1. Omaniny tsara izay ho an’ny olona (and 33)

Tsy mba tany maina na tsy voakarakara no nomanin’ilay tompon’ny tanim-boaloboka eto fa efa nokarakarainy mialoha. Nasiany izay rehetra ilaina mba hahatratrarana tsara izay andrasana. Raha nanomana ny Fiangonana ny Tompo dia tsy Fiangonana foana no napetrany ho an’ny mpitarika fa efa nomaniny izay ilaina hahafeno ny fepetran’ny Fiangonana ary mila karakaraina ireo. Tsara fanomanana ny Tompo amin’ny asany.

2. Miandry vokatra amin’ny mpiasany Izy (34-39)

Tonga ny taom-pijinjana, ary miandrandra vokatra Izy. Tena zava-dehibe Aminy ny mandray ny vokatry ny fanomanana tsara efa nataony. Nanana olana anefa Izy satria tsy araka ny nandrasana no niseho fa ny hevitry ny mpiasa no nataony na dia tsy mifanaraka amin’izay andrasan’ny Tompo aza izany. Fa miavaka ny Tompo, miala nenina hatrany sy niandrandra fiovana teo amin’ireo mpiasa Izy. Araroty ny fiala-nenin’ny Tompo mba tsy ho tara.

3. Mamaly ny mpiasa araka ny fombany (40-46)

Hiverina ny Tompo ka hijery sy hanadina ny asa vita. Samy hanao tatitra ny amin’izay nataony. Fa isan’izay mahatahotra indrindra amin’izany dia ny handringanany izay mpiasa tsy miteraka vokatra na tsy manome ny vokatra araka izay andrasan’ny Tompo. Handringana ilay mpiasa tsy azo nametrahana fitokisana fa namadika ny Tompo, dia ireo izay nikendry ho an’ny tenany sy ny tombontsoany ho azy.

Fanontaniana:

Mpiasa manao ahoana ary isika eo amin’ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Misy laharam-pahamehana mandrakariva...

Asabotsy, 21 Febroary 2026

Misy laharam-pahamehana mandrakariva eo amin’ny fiainana Tantara iray niseho taorian’ny nifampiresahan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana…

Ny asan’Andriamanitra

Zoma, 20 Febroary 2026

Ny asan’Andriamanitra Voalaza amin’izao Soratra Masina izao ny momba ireo vato fisaka roa mirakitra ny…

 Toro-lalana sy antson’Andriamanitra

Alakamisy, 19 Febroary 2026

 Toro-lalana sy antson’Andriamanitra Izao mofonaina izao dia toro-lalana sy antson’ Andriamanitra amin’ny vahoakany hibebahany, mba…