Mpiara-miasa sady iraka haneho ny fitiavan’Andriamanitra ny mpino

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Febroary 2026

Sal 92,1-3 / Hira 6:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428 :1,3

Asan'ny Apostoly 10,23 - 29
23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa. 24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany. 25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy. 26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany. 27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao. 28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. 29 Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankat? aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?

Mpiara-miasa sady iraka haneho ny fitiavan’Andriamanitra ny mpino

Petera nantsoina hanambara ny hafatr’Andriamanitra amin’i Kornelio izay liana handre izany:

1. Nandeha avy hatrany

Rehefa avy nanambara ny anton-diany ireo irak’ilay Kapiteny, dia nandeha avy hatrany i Petera niaraka tamin’ireo rahalahiny sy ireo iraka ny ampitso. Na dia Jentlisa sady olona tsy fantany aza izy ireo dia nandeha izy satria ny Fanahy Masina efa nilaza taminy mialoha (And.19-20). Ny famonjena dia ho an’ny olona rehetra na Jiosy na Jentlisa satria tsy manavaka Andriamanitra. Tokony tsy ho hita taratra eo amin’ny mpitondra ny hafatry ny Tompo ny fitsarana mialoha ka hiteraka fanilihana ho an’ny hafa satria tian’ Andriamanitra handre ny hafany avokoa ny olona rehetra mba ho voavonjy ary hisitraka ny fahasoavany. Mandehana, aza misalasala, ary aza mangataka andro, ambarao amin’ny olona rehetra ny fitiavan’ Andriamanitra.

2. Nanandratra an’Andriamanitra

Naneho fanajana an’i Petera i Kornelio rehefa tonga tao an-tranony noho izy hitondra ny hafatr’Andriamanitra (And.25). Nambaran’i Petera mazava fa olona ihany izy. Ny Tompo no tokony hasandratra sy omena voninahitra, ary noho ny Aminy no nanekeny hiditra ao na dia mifanohitra amin’ny maha Jiosy aza izany. Andriamanitra llay naniraka azy hatrany no hasehony ho hita tamin’ny teniny rehetra. Tena feno fanetre-tena izy tamin’ny famangiana an’i Kornelio sy ny havany. Mila mitandrina ny mpitory Filazantsara sao izy indray no miharihary sy hitan’ny olona ary hajainy ka ho tavela sanatria na takona Andriamanitra sy ny hafany izay ampitondrainy. Hoy Jaona: «Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena » (Jao.3,30).

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy handehanana hanao ny asan’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny tena fitiavana

Asabotsy, 14 Febroary 2026

Ny tena fitiavana Tononkiran’ny tononkira no iantsoan’ny mpandika Baiboly an’ity boky ity! Boky mitantara ny…

Mandrara, mampianatra, manitsy ny So...

Zoma, 13 Febroary 2026

Mandrara, mampianatra, manitsy ny Soratra Masina Mamarana ny epistiliny faharoa ho an’ny Kristiana tao Tesalonika…

Ny fitiavan’Andriamanitra

Alakamisy, 12 Febroary 2026

Ny fitiavan’Andriamanitra Tantaran’ilay zanaka adala no hahalantsika ity anjara mofonaintsika ity! Amin’ny dikan-teny na boky…