Hatrany am-bohoka dia efa voasoritr’Andriamanitra ny asan’ny olombelona tsirairay

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Febroary 2026

Sal 104.1-5 / Hira 3:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3:2,3

Mpitsara 11,1 - 8
1 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy. 2 Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa. 3 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy. 4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona. 5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba. 6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona. 7 Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? 8 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay at? aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.

Hatrany am-bohoka dia efa voasoritr’Andriamanitra ny asan’ny olombelona tsirairay

Ity tantaran’i Jefta ity dia mampianatra antsika fa

1. Tsy voatery ho tia antsika ny olona (and 2b)

« …tsy handova eto amin’ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa…» hoy ny rahalahin’i Jefta taminy! Dia tena fandroahana ankitsirano fotsiny izao, kanefa dia iray ray ihany izy ireo. Toy izany koa no nanjo an’i Josefa, ary mbola nandalo izany tsy fitiavana na fankahalan’ny olona heverina fa akaiky izany koa aza i Jesoa! Koa tsy dia tokony hahagaga na hahataitra loatra izany, indrindra ho an’izay ankahalaina tsy amin’antony! Mahereza!

2. Fa tsy mahakivy izany (and 3)

« Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ny tany Toba » hoy ny fitantarana. Maneho amintsika izany fa tsy nampilofika an’i Jefta akory izany tsy fitiavan’ny rahalahiny izany fa nandeha izy dia nanohy fiainana hafa sy vaovao. Fa i Jefta kosa anefa dia natoky an’i Jehovah hatrany (and 27), ary misy varavarana hatrany sokafan’Andrimanitra ho azy. Rahateo, ny dikan’ny hoe Jefta dia hoe manokatra izy na hoe mpanokatra lalana, koa raha tsy tia azy ny olona, Andriamanitra kosa nanao azy ho mpanokatra lalana hampandresy ny Zanak’i Isiraely!

3. Ary tsy hamaliana faty (and 7, 11)

« Dia nandeha i Jefta…ka nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy ». Na dia nailiky ny olona aza i Jefta, ka tonga tamin’ny fotoana nahatery azy kosa ny olona ka nila vonjy taminy dia tsy namaly faty akory i Jefta! Tsy nolaviny na dia saika nampisalasala azy aza ny hitarika ny fireneny hiady tamin’ny Amonita! Ary dia «natolotr’i Jehovah teo an-tanany ireo»! Midika izany fa nomba azy Jehovah! Vokatr’izany dia nanjary lohany ilay nailika! Moa ve tsy tahaka an’i Jesoa ihany (Fil 2. 10)

Fanontaniana:

Inona no lesona voarainao anio?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Talata, 10 Febroary 2026

Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky Mihasinkasina tsara eto amin’ity anjara mofonainantsika anio ity fa ny mpanompon’ Andriamanitra…

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo ...

Alatsinainy, 9 Febroary 2026

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo anatrehan’Andriamanitra  Misongadina eto fa tena Tia ny olony Andriamanitra…

Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra

Alahady, 8 Febroary 2026

Lehibe ny fitiavan’Andriaanitra Azontsika takarina avy amin’izao anjara mofonainantsika izao fa tena mamonjy i Jesoa,…