Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Febroary 2026

Sal 98.4-9 / Hira 24:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 24: 2

2 Timoty 1,1 - 5
1 [Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 2 mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina; 4 ary maniry hahita anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho [* Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao aho]; 5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.

Ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Mihasinkasina tsara eto amin’ity anjara mofonainantsika anio ity fa ny mpanompon’ Andriamanitra tsy misy fitaka dia:

1. Mahatsapa tena fa tena mpanompo (and 1)

«Paoly, apostolin’i Kristy Jesoa...» hoy i Paoly manomboka ny Epistiliny. Ny dikan’ny teny hoe apostoly dia hoe «iraka», izany hoe olona nametrahana andraikitra na nomena teny ampitaina. Azo ambara koa fa olona tsy manao izay tiany, fa izay ampanaoviny azy ihany, tsy milaza izay mahafinaritra azy fa izay asain’ny Tompony (Mpaniraka) lazaina ihany! Ary tena niainan’i Paoly izany! Izany no maha mpanompo azy fa tsy Tompo! Ary tokony ianarantsika izany!

2. Mivavaka hatrany ho an’ny mpiara-manompo (and 3)

«...fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman’alina...» hoy i Paoly amin’i Timoty, zanany am-panahy! Tena mivavaka tsy mitsahatra. (1Tes 5.17) ho an’ny olona nametrahany andraikitra i Paoly! Mpiara-manompoa ary mitovy Tompo no mitovy tanjona izy mianaka! Fianarana ho antsika izao! Mba mivavaha ho an’ny mpiara-manompo fa aza zavatra hafa no andaniana fotoana!

3. Tsara fifandraisana amin’ny mpiara-manompo (and 4)

«...ary maniry hahita anao aho...» hoy i Paoly manoratra amin’i Timoty! Mampibaribary ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’izy mianaka samy mpanompon’Andriamanitra izany fomba filazan’i Paoly izanuy! Ka olona tsy mifandray ve moa mba te hifankahita? Anjarantsika ny mandinika ny momba antsika sy ny fifandraisantsika amin’mpiara-manompo amintsika! Fifandraisana manao ahoana? Tandremo ny 2 Tim 2. 24! co

Fanontaniana:

Mpanompon Andriamanitra ianao? Inona izany no andrasana aminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo ...

Alatsinainy, 9 Febroary 2026

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo anatrehan’Andriamanitra  Misongadina eto fa tena Tia ny olony Andriamanitra…

Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra

Alahady, 8 Febroary 2026

Lehibe ny fitiavan’Andriaanitra Azontsika takarina avy amin’izao anjara mofonainantsika izao fa tena mamonjy i Jesoa,…

Mampianatra antsika ny Soratra Masin...

Asabotsy, 7 Febroary 2026

Mampianatra antsika ny Soratra Masina Mampianatra antsika zavatra telo loha ity tantaran’ny  nampahiratan’i Jesoa lehilahy…