Miavaka amin’ny voahary ny olona eo anatrehan’Andriamanitra 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Febroary 2026

Sal 111 / Hira 24:1 / Vavaka / Mofonaina /Vavaka / Hira 24: 2

Genesisy 2,18 - 25
18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

Miavaka amin’ny voahary ny olona eo anatrehan’Andriamanitra 

Misongadina eto fa tena Tia ny olony Andriamanitra satria:

1. Mihevitra izay hahatsara ny fiainan’ny olony (and 18a)

«…tsy tsara raha irery ralehilahy…>> hoy ny fitantarana. Io hoe «lehilahy>> io dia azo adika koa hoe olombelona! Fantatr’ Andriamanitra ny mampety ny fiainan’ny olona noforoniny, noho izany dia noraisiny an-tanana ny hanatsarana ny fiainany. Dia noforonin’ Andriamanitra ny fanambadiana! Hay moa izany ka hanatsarana ny fiainan’ny olombelona no antony namoronan’ Andriamanitra ny fanambadiana! Hay moa fantatr’Andriamanitra tokoa izay hahatsara ny olony!

2. Manome izay mahasoa ny olona noforoniny (and 19, 20)

«…dia hanaovako vady sahaza ho azy izy…». Eto no hahitantsika fa Andriamanitra mihitsy hay no mahalala izay mampety sy antonona ho an’ny olona. Ka asany mihitsy ny manolotra ny tsara ho an’ny olona. «Vady sahaza» no nomeny ho an’i Adama; «mpanampy tandrify» no dikan’izany! Tsy hoe mpanampy hanao raharaha araka ny fiheveran’ny olona akory fa fanomezana omen’Andriamanitra, ary fanomezana manandrify tanteraka! Izay nahazo vady dia tokony hisaotra satria nahazo fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra!

3. Misahirana hahasoa ny olona (and 21-25)

«Ary Jehovah Andriamanitra nahasoandrian-tory an-dralehilahy…». Hitantsika eto fa tsy mba teny tahaka ny nahariany ny voahary hafa no eto! Aseho ho tahaka ny Dokotera mpandidy Andriamanitra, izany hoe tena misahirana mihitsy hahasoa ny olony, ka asehony amin’ny asany izany! Ary tsy izany ihany, fa mbola manoro ny tokony hatao koa hahatanteraka ny fahatsarana nomaniny; manome torolalana (and 24) arahina hahatanteraka ilay fanatsarana!

Fanontaniana:

Ahoana tsara ny fomba iheveran Andriamanitra ny olony?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra

Alahady, 8 Febroary 2026

Lehibe ny fitiavan’Andriaanitra Azontsika takarina avy amin’izao anjara mofonainantsika izao fa tena mamonjy i Jesoa,…

Mampianatra antsika ny Soratra Masin...

Asabotsy, 7 Febroary 2026

Mampianatra antsika ny Soratra Masina Mampianatra antsika zavatra telo loha ity tantaran’ny  nampahiratan’i Jesoa lehilahy…

Ireo zava-dehibe iainana ahafahana m...

Zoma, 6 Febroary 2026

Ireo zava-dehibe iainana ahafahana mijoro ho vavolombelona Epistily pastoraly no iantsoana ireo voasoratra ho an’i…