Andriamanitra miantso, mampahafantatra, manafay

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Febroary 2026

Sal 93. 1-5 / Hira 205:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 205: 3

2 Samoela 3,10 - 14
10 ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. 11 Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy. 12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay* hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy] 13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao at? Mikala, zanakavavin'i Saoly. 14 Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan*'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]

 

Ny mofonainantsika anio dia mitarika antsika hahatakatra fa Andriamanitra dia:

1. Miantso izay olona ilainy (and 10)

<<Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany ? Ry Samoela, ry Samoela? Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino пу трапотропаo». Samoela zaza no iantefan’ny antson’ Andriamanitra eto, maneho amintsika izany fa masi-mandidy Izy Tompo, hainy ampiasaina izay fidiany. Hafa fijery noho ny olona Izy

2. Mampahafantatra izay kasainy (and 11-13)

<< Ary hoy Jehovah tamin’i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa…». Rehefa nantsoina i Samoela dia nampahafantarin’ Andriamanitra azy ny zavatra heveriny hatao. Ary tsy i Samoela akory no misafidy na manapa-tena amin’izay niantsoana azy fa efa mazava ny tari-dalana. Henoy tsara izay tian’ny Tompo hataonao, raha mahatsiaro ho nantsoiny ianao, mianara amin’i Jesoa izay mivonona hanao izay ampanaovina fa tsy izay tian’ny tena atao (Jao 4. 34)

3. Manafay (and 14)

<< Koa izany no nianianako ny amin’ny taranak’i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay ». Anankiray amin’izay nolazain’i Jehovah tamin’i Samoela zaza izany. Raha mamaky tsara ny tantara isika dia hahita fa maditra sy mafy hatoka ny zanak’i Ely! Maneho amintsika ny teny eto fa rehefa sarotra ialana nenina na minia mizotra amin’ny lalana ratsy ny olona dia mikapoka Andriamanitra! Mba miovà re amin’ny fanavaozana ny saina! (Rom 12.2)!

Fanontaniana

Inona no azonao ambara momba an’Andriamanitra anio?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 

33


Mofon'aina teo aloha

Ny fahefan’Andriamanitra

Asabotsy, 31 Janoary 2026

Ny fahefan’Andriamanitra 1- Nampiaiky an’i Joba Teo anatrehan’ny resaka izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Joba tamin’ny fahoriana…

Andriamanitra manavao ny zavatra reh...

Zoma, 30 Janoary 2026

Andriamanitra manavao ny zavatra rehetra 1-Manao lanitra vaovao sy tany vaovao Anatin’ny fahoriana tokoa ny…

I Jesoa tompon’ny fahefana

Alakamisy, 29 Janoary 2026

I Jesoa tompon’ny fahefana 1- Manao zava-mahagaga Tsy ara-boajanahary amin’ny olona izany mandeha ambony rano…