Ny fahefan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Janoary 2026
Sal 40. 1-5 / Hira242:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 430:1-2
Joba 42,1 - 6
1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. 5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.Ny fahefan’Andriamanitra
1- Nampiaiky an’i Joba
Teo anatrehan’ny resaka izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Joba tamin’ny fahoriana nanjo azy no nahatakaran’i Joba fa hainy avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainany. Tsy afaka hifandahatra amin’Andriamanitra izay Mpahary azy sy mpandahatra ny fiainany izy. Niteniteny foana izy noho ny fahatsinontsinon’ny fisainany raha oharina amin’ny fahalalan’ Andriamanitra azy. Izy tokoa va hifandahatra na hamaly ny mpanao azy? Fa misy antony ny fandaharana rehetra ataony. Niaky izany fahalehibeazan’ny fahefan’Andriamanitra izany tokoa i Joba ary tsy azon’ny olombelona atao ny hiady hevitra Aminy amin’izany sy izay ataony.
2-Nampibebaka an’i Joba
Niezaka nilaza ny tenany ho tsy manan-tsiny tokoa i Joba raha nilazan’ireo namany fa misy zavatra nahadiso azy matoa niharan-doza mafy izy. Tsy nanaiky izany hatrany izy, fa rehefa Andriamanitra kosa no nifandahatra taminy dia nanaiky ho meloka teo anatrehan’Andriamanitra izy ka nifona sy nibebaka. Na inona na inona tokoa fiheveran-tena ho marina, rehefa mifandahatra amin’Andriamanitra isika dia meloka hatrany, amin’ny maha olombelona tsy mendrika antsika; ka ny hany azo atao dia ny mifona sy mibebaka, mangataka ny famindrapony. Izany fanetren-tenan’i Joba hibebaka sy hifona izany, na dia marina aza izy, no namerenan’Andriamanitra indray ny fiadanany.
Fanontaniana:
Manaiky ho diso eo anatrehan’Andriamanitra ve ianao na dia manana ny marina aza?`
Sampana Sekoly Alahady Foibe