Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Janoary 2026

Sal 101.1-5 / Hira 33:1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 622.1

Isaia 65,17 - 25
17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] 21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. 22 Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. 23 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa] 24 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. 25 Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]

Sal 101.1-5/Hira33:1-2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 622.

Isaia 65:17-25

Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra

1- Mamindra fo Izy

Ny faharian’Andriamanitra lanitra vaovao sy tany vaovao dia endriky ny fanavaozan’ Andriamanitra ny fiainan’ny zanak’Isaraely noho ny famindrampony. Ny hoe: « tsy ho tsarovana intsony ny taloha » dia midika fa tsy ho tsarovanaa intsony ny fahotana sy ny vokatry ny fahotana satria mamindra fo sy mamela ny helok’izy ireo Andriamanitra, amin’ny maha vahoakany azy. Ny fiveranan’ny zanak’Israely amin’ Andriamanitra dia mahafaly Azy tokoa, ary anomezany fanantenana ny Isarelita koa mba ho faly. Tokony ho fifaliana lehibe ho antsika tokoa ny fahazahoana ny famindrampon Andriamanitra sy ny fandrenesana fa mahafaly an’Andriamanitra ny fianteherantsika Aminy.

2- Manome fitahiana Izy

Tsy mijanona ho fifaliana fotsiny ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny fiverenana Aminy fa mitondra ho any amin’ny fitahiana lehibe tokoa. Rehefa avy nandia fiainana sarotra ny Israelita dia nampanantenain’Andriamanitra fa tsy hiasa ho an’olon-kafa intsony ny tsirairay, fa samy hanangana ny azy; hamboly sy hioty izay hohaniny avy. Ambonin’izany dia mbola ampanantenainy tombonandro lava hiainana ihany koa. Ary ao anatin’izany dia hanome izay ilainy Andriamanitra, araka ny voalazany hoe: « Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho ». Tsy misy fitahiana mihoatra noho izany.

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa afaka manao toa izany aminao koa Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa

Asabotsy, 24 Janoary 2026

Ny sandan’ny fanasitranan’i Jesoa 1- Ny finoana sy ny famindrampony Tsy afaka mifanerasera amin’ny olona…

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehe...

Zoma, 23 Janoary 2026

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra 1-Miaro amin’ny fahalavoana Voalaza eto ny hoe « maharo anareo tsy…

ny fahasoavan’Andriamanitra

Alakamisy, 22 Janoary 2026

Ny fahasoavan’Andriamanitra 1-Nanendry an’i Paoly hitory ny haren’i Kristy Manoloana ny nifidianan’i Jesoa an’i Paoly…