Ny hery sy fahefan ‘Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Janoary 2026

Sal 95.1-5 / Hira 171:1 / Vavaka / Mofonaina/ Vavaka / Hira 338

Isaia 44,24 - 28
24 [Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany; 25 Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana, 26 Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko* sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako**, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [*Heb. mpanompony][**Heb. irany] 27 Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao, 28 Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.

Ny hery sy fahefan’Andriamanitra

1-Mahary ny zavatra rehetra

Manolona ny fiheveran’ny zanak’Isarely fa nafoin’ Andriamanitra izy ireo dia ampahatsiahiviny fa Izy no nahary sy nanavotra azy ireo. Izany hoe tsy manadino Izy. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany ary mifehy izay rehetra ao anatin’izany. Izy no mamily ny zava-mitranga rehetra eto an-tany. Ianao koa dia noharian’ Andriamanitra ka tsy afoiny na inona na inona mitranga.

2-Mandrava ny fisainan-dison’ny olombelona

Asehon’ Andriamanitra eto fa na iza na iza miseho ho marani-tsaina sy mahay izay entina mitaona ny olona hiala amin’ Andriamanitra sy hahakivy ny zanak’Andriamanitra dia ho foanan’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Hoy tokoa ny Ohabolana 16,1 hoe: « Ny fikasan’ny fo no amin’ny olona fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Jehovah ».

3. Mampiasa ny olona rehetra hamonjy ny olony

Asa tanan’ Andriamanitra ny olona rehetra. Izy no mamelona sy mifehy azy ka ananany fahefana ny mibaiko ny fisainany mba hanao izay drafitra tian’Andriamanitra ho tanterahiny. I Kyrosy mpanjaka jentilisa no nofidin’Andriamanitra handresy an’i Babylona ka hanafaka ny vahoakan’Israely mba hahafahana manorina indray an’i Jerosalema araka ny teny faminaniana. Fahefan’Andriamanitra ny mibaiko na manendry olona avy ao amin’ ny Jentilisa hitondra famonjena ho an’ny olony

Fanontaniana:

Mino izany fahefan’Andriamanitra izany tokoa ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe 


Mofon'aina teo aloha

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Alakamisy, 15 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo 1- Manome fahefana ho an’ny mpanompony Izy Fahagagana lehibe…

Ny fanasitranan’i Jesoa

Alarobia, 14 Janoary 2026

  Ny fanasitranan’i Jesoa 1- Fanehoana ny asan’Andriamanitra Ahitsin’i Jesoa ny fiheverana fa vokatry ny…

Ny famonjena’Andriamanitra antsika

Talata, 13 Janoary 2026

Ny famonjen’Andriamanitra antsika 1- Amin’ny alalan’ny firaisana amin’i Krisy Jesoa. « Ary amin’izany dia tsy misy…