Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Janoary 2026

Sal 149. 1-4 / HF 13 / Vavaka / Mofonaina/ Vavaka / HF 5

Asan'ny Apostoly 9,36 - 43
36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy*; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [* Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18] 37 Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. 38 Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankat? aminay. 39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina. 41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. 42 Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo. 43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

1- Manome fahefana ho an’ny mpanompony Izy

Fahagagana lehibe no vitan’i Petera tamin’ny nananganany an’i Tabita, na Dorkasy tamin’ny maty. Olona fantatry ny mpiara-belona taminy izy fony fahavelony, isan’izay nampalaza ny fanaovana asa soa sy asa fiantrana ho fanampiana ireo olona sahirana. Tsy vao tamin’izao ihany no nahitana an’i Petera sy ireo Apostoly nanao zava-mahagaga toy izany fa efa hatramin’ny nanombohan’izy ireo ny asa nanirahan’ny Tompo azy, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Nanamarika izany ny andro Pentekosta, izay nadraisan’izy ireo ny Fanahy Masina. Tanteraka ny teny fampanantenana nomen’i Jesoa izay milaza hoe: « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo…« . Mbola izany fahefana omen’ny Tompo izany no miasa ao amin’ny Fiangonana mandraka ankehitriny ka ahavitana ireo asan’ Andriamanitra maro samihafa.

2- Mitarika ho amin’ny finoana Izy

Ireny famantarana sy fahagagana ireny no manamafy fa marina ny hafatry ny Filazantsara izay notorian’ny Apostoly. Ary Ilay Jesoa izay velona sady efa nitsangana tamin’ny maty dia eo anivon’ny olony, sady miasa amin’ny alalan’izy ireo. Ny tanjon’ny asa fitoriana ny Filazantsara izay nanirahana ny Apostoly sy ny Fiangonana dia ny hitaona ny olona hino an’i Jesoa. Tanteraka izany teto satria voalaza fa noho izao asa mahagaga izao dia maro no nino ny Tompo (and.42). Ary ny niantranoan’i Petera tao amin’i Simona mpandon-koditra kosa dia maneho fa na dia nanao asa lehibe aza izy dia nanana fanetren-tena (and.43)

Fanontaniana:

Inona no asa mahagaga asehon’ny Tompo amin’ny Flangonana ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

 

Santé: Vert clair
Counselling: Bleu ciel
Orientations: Violet clair
Formations: Jaune
Partenaires (Société participantes) : Rose
Distribution sakafo: Gris clair


Mofon'aina teo aloha

Ny fanasitranan’i Jesoa

Alarobia, 14 Janoary 2026

  Ny fanasitranan’i Jesoa 1- Fanehoana ny asan’Andriamanitra Ahitsin’i Jesoa ny fiheverana fa vokatry ny…

Ny famonjena’Andriamanitra antsika

Talata, 13 Janoary 2026

Ny famonjen’Andriamanitra antsika 1- Amin’ny alalan’ny firaisana amin’i Krisy Jesoa. « Ary amin’izany dia tsy misy…

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Alatsinainy, 12 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. 1- Mitaona ny vahoaka mba handroso hatrany Izy (and.15)…