Ny famonjena’Andriamanitra antsika
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Janoary 2026
Sal 98.1-3 / Hira 194 / Vavaka / Mofonaina : Rom. 8, 1 -8 / Vavaka / Hira 489.1,4
Romana 8,1 - 8
1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.Ny famonjen’Andriamanitra antsika
1- Amin’ny alalan’ny firaisana amin’i Krisy Jesoa.
« Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. » (and. 1). Milaza izany fa tsy hohelohina intsony izay efa nohamarinin’ Andriamanitra. Ny hoe: « ao amin’i Kristy » dia entina manambara ny firaisan’i Kristiana amin’ny Tompony, dia i Jesoa Kristy. Ny olona efa vita batisa no antsoina hoe: « ao amin’i Kristy » satria efa noraisina ho isan’ny Fiangonana, izay Tenan’i Kristy rahateo. Izany no ilazana ny mpino ho « ao amin’i Kristy« . Amin’izany dia tsapan’ny Kristiana fa velona ao anatiny sy ao an-tsainy ny Fanahin’i Kristy, izay mitarika sy mampahery azy. Ny fiarahana mivavaka sy ny vavaka atao manokana dia samy ahatsapana izany firaisana Aminy sady mitarika ny mpino hiara-miasa hampandroso ny Fiangonana, satria samy momba ny tenan’i Kristy izy rehetra.
2- Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina
« Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana » (and.6). Ny Fanahy Masina, araka ny fampianaran’i Paoly dia hery avy amin’Andriamanitra izay mikendry hampanjaka ny fitiavan’i Kristy eo amin’ny fiainan’ny mpino. Ny olona izay itoeran’ny Fanahy Masina dia velomin’ny fitiavan’Andriamanitra ka mihevitra izay momba ny fiainana sy fiadanana araka an’Andriamanitra, satria ny Fanahy Masina no mampidina ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pony manome fitoniana ho an’ ny fo sy ny saina ary ny hery rehetra. Izay tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra kosa dia tafasaraka amin’ny Loharanon’ny aim-panahy, ary fahafatesana no vokany.
Fanontaniana:
Nahoana no manaiky hanjakan’ny filan’ny nofo ny olona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe