Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Janoary 2026

Sal. 104.24-31 / Hira 171.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 515

Eksodosy 14,15 - 22
15 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. 16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. 17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, 18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. 19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany 20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. 21 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. 22 Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.
1- Mitaona ny vahoaka mba handroso hatrany Izy (and.15)
Nila vonjy tamin’i Jehovah i Mosesy satria nimonomonona ny Zanak’Israely rehefa nahita ny miaramilan’ny Egyptiana nanenjika azy. Toe-javatra mahavery fanantenana no iainan’izy ireo satria tafalatsaka eo anelanelan’ny miaramilan’i Farao sy ny ranomasina. Namaly azy ny Tompo ka nanao taminy hoe: « Nahoana no mitaraina amiko ianao? Lazao amin’ny Zanak’ Isiraely mba handroso. » (and. 15). Midika izany fa tsy tokony hijanona eo amin’ny toby izay misy azy izay tandindomin-doza ny Zanak Israely, fa mila mivonona hiala teo, ka hilahatra mitanjozotra midina hatreny amoron’ny ranomasina izay tsy maintsy hiampitana. Saro-pantarina ny làlana itondran’ny Tompo ny mpanompony, kanefa tokony hotsaroana mandrakariva fa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika. Ny anjarantsika dia ny mankato tsy misy fepetra izay lazain’ny Teniny.
2- Manokatra làlana ho amin’ny famonjena Izy (and.17)
Tsy fomban’Andriamanitra ny mitarika ny olona handroso ho any amin’ny fahafatesana, Rehefa manaraka tsara izay lazain’ny Tenin’ Andriamanitra ny olony dia mitoetra eo ambany fiarovany. Izy no manokatra ny lalana izorana hamakivakiana ny ranomasina. Ny tehin’i Mosesy no nataony fitaovana nampisaraka ny ranomasina ka nahafahan’ny zanak’Israely niampita (and.21); ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy kosa no nanokatra ny làlana vaovao ka nandresena ny herin’ny ota sy ny fahafatesana ka nahatonga antsika hizotra amin’ny finoana ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ahafahan’ny olona mandroso hatrany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe