Ny fahasoavan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Desambra 2025

Sal. 40.1-5 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF48

Titosy 2,11 - 15
11 Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, 12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao, 13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] 14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. 15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.

Ny fahasoavan’Andriamanitra

1- Famonjena ny olona rehetra (and.11)

Ny fahasoavana izay ambara eto dia Jesoa Kristy; izay nahafoy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena ny olona rehetra. Zavatra sarobidy indrindra eo amintsika zanak’olombelona izany, kanefa dia nomena maimaim-poana. Tsy avy amin’ny ezaka izay natao, na avy amin’ny fahatsaran’izay nomena, fa noho ny faniriany hitoetra ho mahatoky tamin’ny fanekeny. Raha ny Zanany aza nafoiny, dia azo antoka fa homeny maimaim-poana ho an’izay tiany ny zavatra rehetra. Tia antsika Izy ka mitaiza sy mampianatra antsika handray fanapahan-kevitra hibebaka; hanary ireo filana sy fahafinaretana fanaon’izao tontolo izao, izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony; ampahereziny isika mba hahay mivelona ao amin’ny fiainam-baovao; hàhay mifehy tena amin’ny fitondran-tena rehetra; hiaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ho tia vavaka, hanao izay tsara amin’ny androm-pahavelomantsika.

2- Fanantenana ny amin’ny ho avy (and.13)

« …Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy » (and.13). Ny olona efa nandray an’i Jesoa ho Tompo Mpamonjy azy dia mahita fifaliana sy fahasambarana, na dia mbola eto amin’izao tontolo feno faharatsiana aza, satria efa misantatra sahady ny fiainana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary izany no manosika azy hanao izay tsara sy ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra; sady manantena hasambarana feno, amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy amim-boninahitra.

Fanontaniana:

Inona no antenainao raha ho avy ny fotoana hialana ety?

Sampana Sekoly Alahady Foibe