Ny handraisan’ny olona rehetra ny famonjena
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Desambra 2025
Sal 122. 1-5 / Hira 16 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 530
Romana 15,7 - 13
7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)] 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana, 9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43). 11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10). 13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.Ny handraisan’ny olona rehetra ny famonjena
1-Ny fihavanana
Nasehon’i Paoly miharihary amin’ireo Kristiana ao Korinto fa mitovy avokoa eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra ka manana anjara amin’ny famonjena daholo na dia ny Jiosy aza no nisantatra izany famonjena izany. Saika nisy fanavakavahana mantsy teo amin’ireo Kristiana Jiosy fihaviana sy ny Kristiana avy amin’ny firenena Jentilisa. Ny fomba hahatanteraka izany famonjena ny rehetra izany dia ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Rehefa mahay mifankatia amin’ny olona rehetra ny mpino, dia izany no fomba hitarika azy ireny hahatsapa ny fitiavana sy ny famonjen’Andriamanitra, sady hanosika azy ireny hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Izany no tian-kambara amin’ny hoe: « mifandraisa ianareo« .
2-Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy
Hoy ny Isaia 11:10 hoe « Hisy solofon’i Jese, dia ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa; Izy no hitokian’ny Jentilisa« . Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia sarotiny tokoa ny Jiosy amin’izany fivavahany izany. Notazominy ho azy ireo irery izany. Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy kosa dia nanokatra ny famonjena ho an’ny olona rehetra izay mino Azy, na dia jentilisa fiaviana aza. Izany fahatongavan’i Jesoa Kristy izany no nahazoantsika Malagasy nandray ihany koa ny famonjena na dia tsy Jiosy fihaviana aza isika. I Jesoa io solofon’i Jese ambaran’ny mpaminany Isaia io, ary hitondra famonjena ho an’izay mino azy tsy an-kanavana no niaviany.
Fanontaniana:
Efa azonao antoka ve ny famonjena anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe