Andriamanitra mpamindra fo

Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Desambra 2025

Sal 108. 1-5 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487

Jeremia 31,15 - 20
15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny. 16 Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. 17 Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray. 18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro. 19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra*; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe] 20 Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko*; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko]

Zoma, faha 05 Desambra 2025

Sal 108. 1-5 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487



Andriamanitra mpamindra fo

1-Mampahery sy mampionona ny olony

Nanenjehana mafy an’i Jeremia ny faminaniany loza hanjo ny zanak’Israely noho ny fahotany. Tsy ny faminaniana loza ihany anefa no nanirahana an’i Jeremia, fa misy koa ny fampiononana sy ny fampanantenana famonjena, toy izay hita eto hoe: « Atsaharo ny fitomaninao sy ny fandatsahanao ranomaso fa hisy valiny tokoa ny ataonao« . Mahita ny soa nataon-dRahely izay reniben’ny Zanak’Israely Andriamanitra ka hamindra fo, ary hamonjy ny olony. Ny fahababoana moa no endriky ny fahoriana eto, ary dia mampahery sy mampanantena Andriamanitra fa ho fahatsiarovana sisa izany tomany sy fidradradradrana izany.

2-Mampody ny zanany

Tsy ny manafay noho ny fahotana ihany no fomban’ Andriamanitra, fa mihaino ny fitarainan’izay nandalo fahoriana ka nahatsiaro hibebaka sy hiverina aminy ihany koa Izy. Rehefa mibebaka izy ireo dia mampody azy indray Andriamanitra. Ao anatin’izany fahasoavan’Andriamanitra izany no nahatsiarovan’izy ireo fanenenana noho ny ota natao, araka ny voasoratra hoe: « rehefa niverina tokoa aho vao nahalala fanenenana… fa latsain’ny tsinin’ny fahatanorako aho« . Ny nenina tokoa tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa. Soa fa mamindra fo Andriamanitra, ary mihaino ny fifonana sy fitarainana, ka manafaka sy mampody izay mibebaka marina tokoa ho amin’ny fahasoavana.

Fanontaniana:

Fantatrao ve fa ny fibebahana ihany no vahaolana haingana Indrindra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe