Ny mpaminanin’i Jehovah

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Desambra 2025

Sal 138.1-4 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488

Habakoka 3,17 - 19
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.

Alakamisy, faha 04 Desambra 2025

Sal 138.1-4 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488


HABAKOKA 3, 17 – 19


Ny mpaminanin’i Jehovah

1-Mifaly an’i Jehovah mandrakariva

Manaloka ny Zanak’ Israely ny fahoriana, noho ny fikasan’ny Kaldeana hanafika azy. Manoloana izany indrindra no anehoan’i Habakoka izay mpaminan’i Jehovah ny fahatokiany an’Andriamanitra. Matoky sy manantena ny famonjen’ Andriamanitra hatrany izy. Izany fahatokiany izany dia hita taratra ao amin’ny vavaka izay nasandrany manao hoe: « Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala ary tsy misy omby ao am-pahitra, nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy» (and 17). Tena fahatokiana ny hoe: na inona loza mitranga dia hifikitra amin’Andriamanitra hatrany.

2-Ampaherezin’Andriamanitra

Ny fahatokina an’Andriamanitra sy ny fiandrasany ny famindram-po sy famonjena tsy maintsy ho avy, amin’ny maha firenena voafidin’Andriamanitra azy no tsapan’i Habakoka ka mampitombo hery azy. Hoy rahateo ny mpaminany Isaia 40.31 manao hoe; «Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery, hihazakzaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka ». Ny olona matoky ny herin’ Andriamanitra dia ampahereziny.

Fanontaniana:

Mbola hifaly amin’i Jehovah ve ianao, n’inon’inona mitranga eo amin’ny flainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe