Asa misiona FJKM lehibe 2026
Manangana ny olona rehetra sy ny olona manontolo
Hosantarina amin’ny Janoary 2026 ho avy izao ny herinandron’ ny asa sosialy andiany voalohany, hotanterahantsika Fiangonana FJKM araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe faha XX, mikasika indrindra ny Fiangonana FJKM manoloana ny fahantrana. Hetsika natao hanatonan’ny Fiangonana ny fiaraha-monina izany, hitondrany vahaolana manoloana ny fahantrana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fisian’ asa izany. Ny 14, 15, 16 Janoary 2026 no fotoana hanatanterahana izany, ao amin’ny Kianja MAKI Andohatapenaka.

Araka ny fanentanana ny Prezida Synodaly sy ny Biraon’ny Synodam-paritany, ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fitandremana rehetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina (ARM) avy amin’ ireo Raiamadreny mpanatanteraka tarihin’ny Sekretera Jeneraly FJKM, Rev. Dr. RAKOTONINDRAINY Jaona sy ny Tonian’ny Departemantan’ny Fananana sy Fampamokarana, Fampandrosoana Sosialy
RANADIMBY Fananterana, Mpitandrina
Izay ho fandaharam-potoana mandritra ireo fotoana ireo:
1) Alarobia 14 Janoary 2026: Fizahana ara-pahasalamana sy fitiliana samihafa maimaim- poana
2) Alakamisy 15 Janoary 2026: tolotrasa sy hetsika fampihaonana sy fampifanatonana ireo orinasa sy ireo olona mitady asa
3) Zoma 16 Janoary 2026: fanohanana ireo tanora mitady asa.
Ireo rehetra ireo dia arahana fizarana sakafo mafana hatrany. Hisy ny fandaminana manokana momba ny fizarana ny sakafo. Hisy mandritra ireo hetsika ireo ihany koa ny Fitoriana ny Filazantsara sy ny antsan-kira hiarahana amin’ ireo antokom-pihira ara-pilazantsara maro.
Fiaraha- mietana ho fijorona vavolombelona
Ho fiatrehana izany sady ho mariky ny fiombonana sy ny fiaraha-mientana; ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory tao amin’ny CFD Ampandrana ny Alarobia faha-19 Novambra 2025 lasa teo, dia nanao izao fandaminana izao, izay ampitaina sady hifanentanana amin’ny Prezida Synodaly, ny Mpitandrina sy ny Fitandremana rehetra amin’ireo Synodam-paritany eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina (ARM).
Asaina am-pitiavana ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina hanolotra vary 1 kapoaka (tsy ferana ny mihoatra) sy vola 1000 ariary (tsy ferana ny mihoatra) isan’olona. Ny Vaomiera sosialy na ny Biraon’ny Fitandremana kosa no handamina ny fanangonana azy ireny. Ny fanomezana rehetra voangona, na vary na vola, dia aterina mivantana ao amin’ny Foibe FJKM ny andron’ ny 29 sy 30 Desambra 2025, varavarana faha 201. Tsara raha manana ny lisitr’ireo rehetra nanome ny Fitandremana tsirairay ka entina miaraka amin’ny fanomezana mandritra ireo andro ireo.
Manao antso avo amin’ireo zanaky ny Fiangonana FJKM misehatra amin’ny fahasalamana: mpitsabo; mpitsabo maso, mpitsabo nify, sy ireo tompona orinasa manana fahaiza-manao amin’ny fanomezana torohevitra ny tanora momba ny fianarana ambony sy ny fananan’ asa koa; mba hizara ny talentany mandritra io hetsika Asa Sosialy goavana ataon’ny Fiangonana FJKM io.
Ny fandaminana ny fanatanterahana dia hampitaina amintsika aoriana kely.
ยซย ๐๐จ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ค ๐ซ๐ ๐ฃ๐ค ๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐๐ฎ ๐๐ฃ๐ ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐๐๐๐ ๐คโฆโฆ๐๐ค๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฏ๐๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ค๐๐ค๐ฃ๐๐ค ๐๐ค ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ค๐๐ฃ๐ ๐ซ๐, ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐ฃ๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ง๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐, ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ค ๐๐ฏ๐๐ฎ ๐๐๐ฉ๐๐ฃ๐๐ค ๐ข๐๐ฉ๐๐ฃ๐๐๐ ๐, ๐ ๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐๐ข-๐๐๐ก๐ค๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐๐ข๐๐ฃ๐๐ค ๐ก๐๐ฃ๐๐ค, ๐๐ ๐ง๐๐๐ ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ, ๐๐๐ ๐๐๐ฅ๐ค๐จ๐๐ ๐ ๐ฉ๐๐๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฏ๐๐ซ๐๐ฃ ‘๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฏ๐๐ซ๐๐ฃ๐๐คย ยป (๐๐จ๐ 58, ะฑะฐ.7-8)
Veronica AANDRIANARISON