Ny mifikitra amin’i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Novambra 2025
Apo 3. 12, 13 / Hira 236: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 365: 3
Lioka 21,12 - 19
12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.Apo 3. 12, 13 / Hira 236: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 365: 3
Lioka 21.12-19
Ny fampaherezan’i Jesoa ny mpianany eto amin’ity Mofonaina anio ity dia ahazoantsika manatsoaka fa izay mifikitra amin’i Jesoa, na inona na inona mitranga dia.
1. Tsy avelany hangaina (and 14, 15)
«Коa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. » hoy i Jesoa tamin’ny mpianany. Maneho ny fahavononany hiady ho azy ireo izany; sady efa ampanantenainy rahateo fa hampandresy izay mifikitra Aminy Izy. Na inona na inona miseho dÃa aza maika hamaly, ento eo amin’i Jesoa, avelao Izy hiditra an-tsehatra hiady ny adinao (Eks 14.14)
2. Tsy gaga raha ankahalaina (and 17)
«Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako ». Mazava tsara eto fa noho ny amin’i Jesoa (fa tsy sanatria noho ny ratsy ataonao na ny toetra ratsinao) dia mety hatsangan’ny olona ho fahavalo ianao. Kanefa inona indray moa no hahataitra anao amin’izany? Ny olona nampitandremana mialoha hoy ny fiteny dia tahaka ny olona roa. Aza ataonao mahakivy na mampiraviravy tanana izay endrika fanenjehana, na tsy fitiavana mihatra aminao noho ny fijoroanao amin’ny finoana an’i Jesoa (tsindriana tsara hoe: noho ny amin’i Jesoa)
3. Maharitra (and 19)
«Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo ». Taomin’i Jesoa isika, mba tsy hivadika, na sanatria hiala amin’ny finoana na dia mafy sy mila hihatra aman’aina aza ny ataon’izao tontolo izao, satria izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena hoy ny Soratra Masina. Ny faharetana no hisitrahana ny valisoa omen’ny Tompo. Ny hazofijaliana mialoha ny satroboninahitra. Mahereza!
Fanontaniana
Ahoana no ihoarana ny fanenjehana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe