Antsom-pitiavana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Novambra 2025
Sal 25.1-5 / Hira 241: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 354: 4
Hosea 12,1 - 7
1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.Sal 25.1-5 / Hira241: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 354:4
Hosea 12.1-7
Antsom-pitiavana no ampitondrain’i Jehovah an’i Hosea :
1. Miverena (and 7a)
«Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao…». Ny dikan’ny hoe miverena dia «atsaharo », ary omeo lamosina manomboka eto ny fahotana sy ny lalana ratsy rehetra natao tany aloha; ka lalana vaovao indray no izorana ary fiainam-baovao tsara lavitra miaraka amin’ny Tompo kosa indray no iainana. Fanehoam-pitiavana tsy manam-paharoa ataon’ny Tompo izany, satria efa ny olony no mivadika nefa tsy ariany. Ary mbola Izy koa aza no manao dingana voalohany miantso am-pitiavana. Koa nahoana moa no dia odiana tsy re?
2. Mitandrema (and 7b)
« Tandremo ny famindram-po sy ny rariny… ». Rehefa tapa-kevitra hiverina amin’i Jehovah ny olony dia ambarany azy mazava ny tokony hatao. Ny lalana vaovao tokony hizorana dia ny mandeha amin’ny fitiavana: mitia ny mpiara-monina, mihevitra ny mpiara-belona sy izay zakain’ny hafa, fa tsy ny an’ny tena ihany no imatimatesana sy atao laharam-pahamehana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao: ialana ny tsy rariny ara-tsosialy, ny manao tsindrio fa lavo (fa izany no nanjaka teo amin’ny fiaraha-monina tamin’ny andron’i Hosea). I Jesoa rahateo moa dia nanamafy ny hoe: tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Mar 12.31)
3. Miandrasa (and 7d)
«Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva». Amin’ireo matoanteny telo ireo, dia ity miandrasa ity no amin’ny endrika totoafo, izany hoe tena tsindriana mafy mihitsy. Mahazo hevitra roa izany, andaniny ny fiandrasana dia ilazana ny fametrahana ny fanantenana manontolo aminy; ary ankilany dia milaza fa hihaona amin’Andriamanitra amin’ny fotoany ka matahora Azy.
Fanontaniana:
Inona antony tsy hiverenan’ny olona amin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe