Ho avy i Jesoa
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Novambra 2025
Sal 117 / HF 6: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 648:55
Lioka 12,35 - 40
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomà na koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.Sal 117 / HF 6: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 648:55
Lioka 12. 35-40
Mazava tsara ny Soratra Masina eto: Ho avy i Jesoa, noho izany:
1. Miomana (and 35)
« Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo » hoy i Jesoa manome toromarika ho an’ny mpianany. Ny dikan’ny hoe valahana misikina dia ilazana ny fahavononana hiasa (Eks 12.11; Mpa 18. 46); akanjo lava mantsy no fitafiana tamin’izany fotoana ka manembatsembana amin’ny hetsika na zavatra atao raha tsy asiana fehinkibo. Ny jiro mirehitra koa dia mifameno hevitra amin’izany, midika fiandrasana amim-pahavononana fotoan-dehibe ho avy.
2. Mitsangana (and 37)
« Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy…« . Ny hevitry ny teny hoe: « hitan’ny Tompony miambina » dia hoe tsy eo am-patoriana na mipetraka eo ambony seza, fa mitsangana, ary mandeha, vonona amin’izay zavatra mitranga rehetra, mamaly eo no ho eo raha antsoina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, vonona tsara hihaona amin’ny Tompo amin’ny fotoana rehetra, ary tsy tampoka aminy intsony izany !
3. Aoka hafana (and 39)
« Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. ». Eto no ilazan’i Jesoa fa tena zava-dehibe ny fahavononana satria tsy fantatra ny fotoana hiaviany, noho izany dia tsy maintsy mafana hatrany ny Kristiana amin’ny fiainam-bavaka sy ny fanongilanan-tsofina hihaino an’Andriamanitra, mba tsy ho latsa-nenina, tonga amin’ny fitenin’ny ntaolo hoe: lasa ny varatra vao mitsoka havozo.
Fanontaniana
Hatraiza ny fahavononano amin’ny fiavian’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe